Taratra

Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana

Naiditra am-ponja ao Mo­ramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro […]

Hetsika « Tselatra » : maty voatifitra i Tsedy sy i Tsaravela

Nifanehatra tamin’ireo miaramila mpampandry tany anatin’ny hetsika « Tselatra » sy ireo antoko voalohany ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Matitanana, afakomaly. Tao an-tanànan’i Lohamanga, fokontany Fenoarivo 2, kaominina ambanivohitr’i Labohazo, distrikan’i Farafangana. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy antsoina hoe Tsedy sy Tsaravela no nifanehatra tamin’ny miaramila. Naharay antso momba ny […]

Antohomadinika ; trano 18 levon’ny afo, fongana ny entana rehetra

Lasa lavenona tanatin’ny indray mipi-maso ny entana sy ny biby fiompy tetsy Antohomadinika, omaly. Tokantrano 18 may noho ny antony tsy fantatra mazava. Trano biriky telo niampy trano hazo am-polony, hotohoton’ny afo, teny amin’ny fokontany Antoho­madinika afovoany, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany. « Niainga tamin’ny trano hazo iray nisy mpivarotra […]

Antalaha : nohavaozina ny tanàna Orange roa

Nanomboka ny taona 2012 no notohanan’ny Orange solidarité sy ny Fondation Orange ny tanànan’i Mahe­vadoany sy Ambodirafia, Cap Est, ao amin’ny distrikan’An­talaha. Nohavaozina ny fotodrafitrasa maromaro, araka ny fifanarahana tamin’ny ONG Macolline. Tafiditra amin’izany ny toeram-pisakafoana an-dakilasy, toeram-pidiovana sy fivoa­hana ary ny paompin-drano hampiasain’ny mpianatra sy ny mponina ao Mahevadoany. […]

indray mijery

Hanomboka anio, haharitra hateloana ny “festival” momba ny atody. Hatao eny amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, karakarain’ny kaominina sy ny fikambanana 2A, ahitana ny fikambanan’ny mpiompy. Tanjona ny hisarihana ny mponina hanjifa atody sy hiompy akoho mpanatody lava fa mahavelona ity fihariana ity. Hanorana tandrifindrahona mahalana any Analan­jirofo sy Toamasina, […]