Nanao atrikasa mikasika ny fanodinana sy fandrariana ny akora eo ampelatanana ho lasa haingo sy zavatra azo ampiasaina indray ireo ankizy sy tanora mipetraka etsy amin’ny Akany Iarivo Mivoy, Anosizato. Niarahana tamin’ny ekipan’ny “Art et Culture (AEC)” izany. Nahafahan’ireo ankohonana ao an-toerana nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana akora plastika rariana. […]
Taratra
Fanadinam-panjakana : hisokatra ny volana janoary ny fisoratana anarana
Ilain’ny sekoly ny lamina momba ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana, handrindrana ny fitantanana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina. Navoakan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia teo, ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 sy ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, araka ny didy hitsivolana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanangana toeram-ponenana manara-penitra eny Andavamamba ny tetikasa « PRODUIR ». Natokana ho an’ireo hifindra monina noho ny fanadiovana ny lakandrano C3 izy io ary hamaly ny hetahetan’ ireo mponina mba hiaina amina toerana maha te-honina kokoa. Tsiahivina fa nisy tondradrano, ny taona 1959 izay niteraka fahasimbana maro. Hivadika seranam-piaramadina iraisam-pirenena manomboka androany […]
Tsy ampy ny vokatra eto an-toerana : hanafatra katsaka 45 000t ny mpandraharaha
Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Madagasikara kanefa tsy mitsaha- miakatra ny vidin’izany eny an-tsena. Mandroso vahaolana amin’ny fanafarana katsaka ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana. Misedra olana ny tontolon’ny fiompiana. Tsy ampy sady lafo ny katsaka eny an-tsena ka miantraika mivantana amin’ny fiharian’ny tantsaha. Vokany, nahena hatramin’ny 50% ny biby fiompiny […]
Ady amin’ny doro tanety: nahazo tohana 120 tapitrisa Ar ny MNP
Famatsiam-bola entina hiatrehana ny afo, mitentina 120 tapitrisa Ar, no azon’ny “Madagascar National Parks (MNP)”. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa niarahany tamin’ny tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-java-mananaina eto Madagasikara (FAPBM), omaly, teny amin’ny biraon’ny MNP, Ambatobe. Napetraka ao amin’ny tahirim-bola maika ity famatsiam-bola ity. Tanjona ny hampihena ny […]




