Mitohy hatry ny omaly ny fanarahan-dia ataon’ny Tafika sy ny zandary ireo nanapa-doha zazalahy 5 taona tao amin’ny fokontany Ehindy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy. Fokontany efatra niara-nihetsika amin’ny mpitandro filaminana manara-dia ireo olon-dratsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny ao ambadik’izao heloka mamohehatra izao. Sinoa iray sy olona roa hafa manaraka fitsaboana […]
Taratra
Lozam-pifamoivoizana: talem-paritry ny Asa vaventy namoy ny ainy
Niara-maty ny mpamily sy ny vehivavy iray hafa tao anatin’ny fiara tra-doza teo Antsira, kaominina Antsoatany, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Vaky kodiarana tampoka ny fiara tsy mataho-dalana nentin’ny talem-paritry ny Asa vaventy iray, tamin’ny 11 ora maraina. Nivadibadika ny fiara teo amin’ny PK 142+900. Vokany, maty tsy tra-drano ny vehivavy […]
Nosy-Be: Cash point nahatrarana vola sandoka 4 hetsy Ar
Noraisim-potsiny ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ireto olona voarohirohy tamina raharaha vola sandoka ireto. Vola sandoka mitentina 4 hetsy Ar no saron’ny polisy ao Nosy-Be tamina kioska iray afakomaly, rehefa nokasaina haparitaka ao an-toerana. Naharay antso tamin’ny polisy monisipaly ny avy ao amin’ny kaomisarian’i Nosy-Be momba ny fisiana vola […]
Saika horobaina : raim-pianakaviana maty gorobaky ny bala
Nokasain’ny jiolahy horobaina ny moton’ny lehilahy iray teny Andrefan’ Ambohijanahary, omaly. Niezaka nanavotra ny fananany izy saingy maty voatifitra . Namoy ny ainy! Voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray, omaly, tetsy amin’ny Paraky, Andrefan’Ambohijanahary. Niala tao amin’ny trano fonenany vao mangiran-dratsy, nikasa haka ny zaodahiny izay monina tsy lavitra eo […]
Karate-JIOI : laharana voalohany no tanjona
Nanao tohy vakana, omaly, ny fanomezana tohana avy amin’ny minisitra mpiahy, ho an’ireo atleta sy mpanazatra hiatrika ny lalaon’ny Nosy, hanomboka afaka 2 herinandro. Anisan’ny nisitraka izany ny taranja Karate, tetsy amin’ ny Madagascar Espace, By-pass. Mizotra antsakany sy andavany ny fanomanantenan’ireo atleta, araka ny nambaran’ny atleta. Hikendry ny laharana […]




