Taratra

Lalaon’ny Nosy: noraisina tany Antsiranana ny afo Olympika

Nigadona ny sabotsy hariva eto Madagasikara, ny afo Olympikan’ny lalaon’ny Nosy. Tao Antsi­ranana no nandray izany. Hitety ny renivohi-paritany enina, mialoha ny lalao. Vahoaka marobe no efa niandry ny fahatongavan’ny afo Olympika, tao amin’ny kianjan’Antsiranana, ny sabotsy lasa teo. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Naka izany tany Maorisy […]

TARATRY ny KANTO

Teatra Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny teatra notontosain’ny “Tropy Ilo”. Ny piesy teatraly “Mose Lemera”, nosoratan-dRatsim­bason Pierre Emile no nolalaovin’izy ireo tamin’izany. Ao anatin’ny ezaka famerenana ny hasin’ny teatra tanteraka ny tomponandraikitra amin’izao. Ary hisy matetika ny seho hanatrarana izany tanjona izany. “Literature and Ideas Festivals-LIFEs”. Tontosaina […]

Jazz@Tohatohabato faha-12 : « Tafita ny ezaka natao hatramin’izay », hoy i Pépé

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny Araben’ny Fahaleo­van­tena, Analakely, ny fampisehoana nanakatonana ny andiany faha-12 amin’ny Jazz@Tohatohabato. « Nody ventiny ny rano natsakaina. Tafita ny ezaka natao tao anatin’izay taona maro nisian’ny Jazz@Tohatohabato izay. Nety ny natao. Ity no andiany be olona indrindra. Afa-po izy ireny. Nivelatra be ny jazz », hoy i Pépé Raveloson, avy […]

Misaona ny kanto malagasy : nodimandry i Tiana Andrianaina

Mpihira, mpitendry sy mpampianatra zavamaneno, mpikaroka… Fantatra, omaly, fa nodimandry i Tiana Andrianaina andrarezin’ny hira malagasy. Taona 1980 ka hatramin’ny taona 1990 no tena nampamirapiratra azy teo amin’ny zavakanto. « Any an’ala », « Miràna », « Korana », hira anisan’ny nahafantarana ny tarika Tiana Andrianaina. Izy no iray amin’ireo nanana fahasahiana lehibe nitondra zava-baovao amin’ny […]

Tarika Rebika : nitotorebika sy afa-po ny mpankafy

Fotoana mamy, niarahan’ny fianakaviamben’ny tarika Rebika omaly, teny Antsahamanitra. Fotoana nanehon’ny tarika ny mety ho endriky ny fankalazana ny faha-35 taonany. Tontosa omaly, teny Antsahamanitra ny fampisehoana goavana, na­taon’ny tarika Rebika. Tonga maro niara-paly tamin’izy ireo, tamin’izany, ireo mpankafy marobe. “Tatasika an-tsehatra”, io no anarana nentin’ny fampisehoana. Fotoana lavalava no […]