Taratra

TSELATRA

Nirefotra indray ny poa-basy omaly, teny Andraharo. Raim-pianakaviana mpanao taxi-moto iray niantefan’ny balan’ireo jiolahy, nandritra ny fanafihana mpanao Cash point iray. Teo am-piandrasana “client” izy no niseho ny fanafihana ka izao namoy ny ainy izao. Teratany sinoa iray hita faty tao Ambohijafy avaratra, Toamasina, afakomaly. Tao an-tranony ihany ity vahiny […]

Lalamby Ampefiloha: Jiolahy efatra tratra teo am-panendahana

Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy efatra mpanao sinto-mahery eny Ampefiloha sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Isotry no nahasambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ ireo andian-jiolahy manao ny asa ratsiny eny Ampefiloha. Nifanehitra tamin’ny polisy ry zalahy ireto, omaly. Naharay antso avy […]

Ankatso – mpangalatra moto : saika matin’ny fokonolona

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy tratran’ny fokonolona nangalatra moto teny Ankatso, omaly, ity. Teo am-panosehana moto-n’olona iray teny amin’ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy no tratra. Nanamparan’ny olona ny hatezerany ilay jiolahy. Daroka, vely kibay, izany no nihatra taminy. Tsy afa-nanohitra intsony ity olon-dratsy ity manoloana ireo fokonolona efa nentin-katezerana. […]

Voahosin’ny kamiao : niara-maty ny mpamily sy ny mpanampy azy

Niara-namoy ny ainy ny mpamily sy ny mpanampy azy, afakomaly. Taraiky tao ambanin’ny kamiao namboarina izy ireo rehefa nisy fiara lehibe iray nifaoka tanaty haizina. Niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Bemasoandro, Ano­sibe Ifody, distrikan’i Mora­manga, ny mpamily iray sy ny mpanampy azy, afakomaly. Tratry ny tsy fahatomombanana ny kamiao nentin’izy […]

Lalao fanomanana : lavon’ny Barea 3 no ho 0 ny Elgeco Plus

Taorian’ny fanokanana ny asa fanitarana ny kianja Elge­co Plus sy ny “Coupe du Pré­sident”, nisy ny fihaonana ara-pirahalahiana nataon’ny Barea de Madagascara sy ny Elgeco Plus. Lavon’ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Lalao notanterahina omaly, teny By- pass. Nanindry tanteraka ny […]