“Mety misy mitady fomba hafa hisakanana ny fifidianana. Nefa tsy izay tiana na tsy tian’ny antoko politika no tanterahina, fa izay voalazan’ny Lalàmpanorenana ary izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka”, hoy ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Tsy ny filam-banin’ny antoko politika no tanterahina eto. Misy mitady governemanta iraisana […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Efa niroso tamin’ny fitokonana ny mpampianatra mpikaroka Seces sampana Fianarantsoa nanomboka ny alatsinainy teo. Nanao fitokonana teny amin’ny Esplanade Ankatso kosa ireo mpikambana avy ao amin’ny Seces sampana Antananarivo nanomboka omaly, satria tsy nisy valiny ny fitakiana samihafa natao. Honeran’ny fanjakana ny saran-dalan’ireo mpianatra 21 mendrika ka lasa any ivelany […]
Tomban’ny taompianarana : hanomboka ny 14 hatramin’ny 25 aogositra
Hanao tombana ny taom-pianarana 2022-2023 ny tomponandraikitra ny 14-25 aogositra. Hahitana ny ekipan’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny talen-tsekoly ary ny mpanolotsaina pedagojika izany. Aorian’izay no handrafitra paikady hanarenana ny lesoka rehetra hita. Nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneraliny, Rabenandrasana Teophil, fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana eny amin’ny […]
Hopitalim-bahoaka : miofana ho amin’ny fanatsarana ny mpiasa
Sesilany ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitaly. Omaly, ny teny amin’ny Centre hospitalier universitaire Mère-enfant Ambohimiandra (CHUMEA) indray no nofanina. Miompana amin’ny fandraisana sy ny serasera no hanofanana azy ireo. Nisitraka izany ireo Infirmiers d’accueil et d’orientation na IAO sy ireo mpisehatra ao amin’ny sampana Vonjy Aina. Notsongaina […]
Fandaharanasa Educmad : mikirakira tahirin-kevitra niomerika 5 000
Hampiakarana ny lanjan’ny taranja siantifika no nametrahana ny fandaharanasa Educmad teto Madagasikara ary nahazo vokatra tsara ireo sekoly nampihatra izany. Nanomboka ny taona 2004 ny fandaharanasa Educmad, manohana ny fampianarana ny taranja siantifika amin’ny fikirakirana tahirin-kevitra pedagojika niomerika izay miaraka amin’ny Acces Mad sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 5 000 ny […]




