“Ianareo vahoaka, aza manaiky ampirisihin’olona. Na eo an-toerana io, na any ivelany. Ny any ivelany, tsy voakitika: inona moa no iraharahana izany? Ny eto Madagasikara, ampirisihiny ny tena, jereny fotsiny rehefa avy eo”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary, […]
Taratra
Fifidianana ben’ny tanàna: nolavina ny fitorian’i Tojo Ravalomanana
Notsipahin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), Anosy, ny fitorian’ny kandidà nangataka ny fanalana an-daharana an-dRamanantsoa Harilala. Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana. Nolavin’ny fampanoavana ny fangatahana fanintsanana an-daharana ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Fitoriana nataon’ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina sy i Gascar Fenosoa, ary […]
Novelesina tamin’ny hazo: vehivavy bevohoka voaroba 1 200 000 Ar
Lasan’ny jiolahy ny vola mitetina 1 200 000 Ar, an’ny renim-pianakaviana iray tao Amborovy, kaominina Mahajanga, ny alahady 12 janoary, teo. Avy nivarotra, namonjy ny lalana fodiany toy ny mahazatra ilay ramatoa mitondra vohoka. Nitondra moto izy. Narahin’ny olon-dratsy anefa, voavelin’ny hazo tampoka avy aoriana io vehivavy io. Niongana teny ambony moto, […]
Avotra ilay zazavavy: mpaka an-keriny roa voasambotra
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Amboasary Atsimo, ny 11 janoary teo. Nitondra fitaovam-piadiana, nentin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy, tamin’io andro io, tao amin’ny fokontany Maroasara, kaominina Amboasary Atsimo. Tsy mbola nitaky lelavola tamin’ny fianakavian’ilay zazavavy nalainy an-keriny ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao. Taorian’ ny tranga fakana […]
Varo-maizina: roa lahy nahatrarana sokatra 24 sy rongony 10 gony
Zana-tsokatra ahina ho lany tamingana miisa 24 sy rongony 10 gony indray saron’ny zandary tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana, tao Betioky-Atsimo, ny 12 janoary teo. Roa lahy voasambotra. Karazan-tsokatra fantatra amin’ny anarana siantifika “Astrochelys Radiatas” tra-tehaky ny zandarimaria teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo, tao Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo, ny […]