Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/Ciram) ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Siantsan’ny Maha olona. Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo […]
Taratra
Havàtsa-Upem : Manerana ny Nosy ny antsa tononkalo
« Tononkalo avy amin’ny tanàna ». Lohateny nampitondrain’ny Havàtsa-Upem ilay hetsika hotontosaina, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Aingam-panahy avy amin’ny tanàna = faritra, vohitra, toerana… Manerana an’i Madagasikara », hoy ny fampahalalana sy fampahafantarana ary famintinana nataon’ny mpikarakara momba ity hetsika hanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny […]
AmbondronA sy mi’Ritsoka: Hisy seho goavana ho an’i Toamasina
Samy manao ny tandrify azy. Hanohy ny andian-tseho, ho fanangonam-bola hanampiana an’i Toamasina ny tarika AmbondronA. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, vavahady P1, ny alahady 8 marsa. Io ny fotoan-dehibe homen’ny tarika AmbondronA ireo mpankafy azy eto Antananarivo. Fampisehoana goavana no homanina, iarahan’ny tarika misalahy amin’ny mi’Ritsoka Production eo amin’ny fampitaovana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 13 sy ny 14 marsa ho avy izao, ny « Salon des Transports et de la Chaîne logistique », eo ambany fiahin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hetsika lehibe, hampivondronana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana sy ny sehatra mifandraika aminy. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana […]
Bred Madagasikara: Hijanona maharitra eto amintsika
Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny desambra 2024 ny banky Bred Madagasikara BP, nisolo ny Société Générale teo aloha. Maro ny efa nataony, tao anatin’izay herintaona niorenany izay. Nambaran’ny talen’ny serasera, Rakotomavo Haingo, fa nanomboka ny marsa 2025 ny nanovana ary nametrahana ny mari-pamantarana Bred Madagasikara BP, an’ireo masoivoho manerana ny […]




