Misaona ny tontolon’ny Baolina kitra, indrindra fa ny eo anivon’ny klioban’ny Dato FC. Nodimandry ilay lohalaharan’izy ireo, Telce. Tsiahivina fa efa nilalao tao amin’ny klioban’ny FC Dior sy ny TMTT izy teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo sy ny klioba nilaozany. […]
Taratra
Rabibisoa Jerry Pepin : milalao ao amin’ny klioba BCM ao Frantsa
Ny alahady alina teo no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Frantsa, Rabibisoa Jerry Pepin, Malagasy mpilalao basikety, klioban’ny Cospn. Efa nigadona ao Frantsa izy ary efa tongasoa ao amin’ny klioban’ny BCM, ao Gravelines. Tsiahivina fa ny volana aogositra lasa teo no efa fantatra fa nahazo fifanarahana tamin’ity klioba goavana ity […]
Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : nanao pao-droa ny C2BA Vakinankaratra
Niavaka ny zava-bitan’ny ekipa C2BA Vakinankaratra nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Lasany avokoa ny fandresena teo amin’ny “senior” lahy sy vavy. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny zoma 29 septambra ka hatramin’ny alahady 1 oktobra lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, tsipy […]
Fikambanana Sinoa eto Antananarivo : maneho ny safidiny amin’ny fifidianana
Mahatratra 1 000 mahery ireo sinoa mivondrona anatin’ ny fikambanana Sinoa eto Antananarivo, raha ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Sam James, tetsy Antsakaviro, omaly. Mizaka ny zompirenena malagasy avokoa ny ankamaron’izy ireo satria teraka teto Madagasikara. «Efa nanomboka ny taona 1940 no teto ny ray aman-dreninay», hoy ity filohan’ny fikambanana ity. […]
Fiatrehana ny fifidianana : nampirisika ny tanora ny Yols
Nanatanteraka hetsika fanentanana ny tanora hifidy teny ankadikely Ilafy, ao amin’ny distrikan’Avaradrano, ny sabotsy 30 septambra teo, ireo tanora mpikambana eo anivon’ ny “Youth Leadership Seminary -Yols”. Tanora mpikambana avy amin’ny antoko politika maro samihafa izy ireo ary nahazo fiofanana manokana teo anivon’ny “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Niezaka nampitovy fijery ary […]




