Tapaka ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny reniranon’i Mahavavy, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Ny fiara kely ihany koa no afaka miampita eo amin’ny tetezana any Manambery, RN5. Tototry ny rano ny fivilian-dalana vonjimaika miampita ny reniranon’i Mahavavy amin’ny lalam-pirenena faha-6, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Tapaka ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, […]
Taratra
Fanafihana mitam-piadiana lavareny: roa lahy mpianatry ny oniversite maty sy naratra voatifitra
Tsy mety fongana ny asan-jiolahy ao Toamasina. Maty sy naratra voatifitra ny tovolahy roa, mpianatra ao amin’ ny oniversiten’i Barikadimy. Misy milaza fa jiolahy izy ireo. Misy kosa ny manamafy ny mifanohitra amin’izany. Lasibatry ny jiolahy ny tsena iray, mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tao Toamasiana, afakomaly. «Nisy tovolahy […]
Taksiborosy nivadika: olona 17 naratra mafy
Nitrangana lozam-piarakodia, taksiborosy iray hafa koa, teny amin’ny RN 4, PK 299+800, tao Ambodimanga/Beanana distrika Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro teo. Taksiborosy hihazo an’Antsiranana ity niharan-doza ity vokatry ny fifandonana tamina fiara 4×4 iray teo ambony tetezana. Nilatsaka tany ambany tetezana ilay taksiborosy taorian’izay. Tandrevaka teo amin’ny mpamily, araka izany, no […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka”
Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». […]
Vaovao tambatra
16,2 miliara Ar no nentin’ny tetikasa Fihariana nanohanana ireo mpandraharaha manerana ny Nosy, ny taona 2024. Mbola hitohy ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika azy ireo amin’ny fananganana orinasa amin’ ity taona 2025 ity. Nahafahana nanakaiky ny mpandraharaha tokoa ny taona 2024. Mbola tsy nahavonto tany ny filatsahan’ny orana hatramin’ny sabotsy […]