Nitohy amin’ny fitsidihana toerana samihafa tao Moscou, Renivohitr’i Rosia ny dian’ny delegasionina, tarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël any amin’ity firenena ity. Anisan’ny notsidihin’izy ireo, omaly, tamin’izany ny ivon-toeram-pamokarana sy fikarohana momba ny “Drone” tao amin’ny “Unmanned Aerial World – UAW”. Nasehon’ny Rosianina koa ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ity ivontoerana ity amin’ny […]
Taratra
TSELATRA
Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty rano tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, omaly maraina. Ahin’ireo mpiasa ao an-toerana ho mamo io lehilahy io ka latsaka tampoka tao anatin’ny rano ary nitarika tamin’ny fahamoizany aina. Nirefotra tampoka ny fitaovana mpamokatra herinaratra « groupe » ka nahamay ny trano iray tao amin’ny Valpinson, kaominina Toamasina, […]
Tanjombato : Lehilahy tratra teo am-pamakiana trano
Tra-tehaky ny polisy teo am-pamakiana tranon’olona iray, tetsy Malaza Tanjombato, ny lehilahy iray, 30 taona, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nihanika tambohon’olona io olon-dratsy io. Nahatsikaritra izany ireo polisy nanao fisafoana amin’ny alina sy efa nametraka paikady ka nanenjika sy nisambotra azy. Nandositra avy hatrany anefa ity farany vao nahatazana […]
Nanendaka mpitondra moto : Dimy lahy nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny mpitandro filaminana, afakomaly, taorian’ny fikarohana ireo olona miisa dimy voasaringotra tamin’ny fanendahana mpitondra moto iray teny amin’ny fokontany Ankadivoribe, kaominina Soavina, distrikan’Atsimondrano. Nitrangana asan-jiolahy teny an-toerana, ny alin’ny alarobia 18 febroary lasa teo. Nikasa hamonjy fodiana ny mpitondra moto iray rehefa niainga avy eny Anosizato. Nandrasan’ireo jiolahy kendry […]
Nanolana ankizivavy 16 taona: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, omaly, ny lehilahy roa. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, tany Antanifotsy. Teny ambony bisikileta handeha hody ity ankizivavy ity no tratran’ireto olon-dratsy ireto. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tao Antsirabe, omaly, ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, ny 16 febroary 2026, […]




