Nivoitra tao anatin’ny fivorian’ny Seces, sampana Antananarivo, ny alatsinainy teo, fa mitohy hatramin’ny 7 aogositra izao ny oniversite maty. Tsy misy mpampianatra hampiodina eny amin’ireo fakiolte rehetra. Tetsy andaniny, namoaka fanambarana ihany koa ny fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (FDSP) fa hiombom-po haneho firaisankina amin’ny Seces ka hampitsahatra ny […]
Taratra
Orange Solidarité-UNFPA : hanohana ny vehivavy
Hifanohana ny Orange Solidarite sy ny UNFPA ary ny orinasa Orange Madagascar ho fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny fikirakirana ny nomerika. Hanampy sy hampitaovana ireo tranon’ny tanora manerana ny faritra maro ny roa tonta amin’ny fanomezana “connexion”, fanofanana sy ny famakiam-boky. Eny anivon’ireo tanàna Orange, hanofana ireo […]
ONN sy FAO : mamolavola boky torohay hahaizan’ ny isan-tokantrano mahandro
Azo ovaovaina ny sakafo ho an’ny isan-tokantrano amin’ny vokatra misy eo aminy isam-paritra. Hamolavola boky torohay mifandraika amin’izany ny teknisianina. Hanohana teknika ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) mandritra ny roa taona ho avy. Hiompana amin’ny fanentanana ny fianakaviana […]
TARATRY ny KANTO
“Volontany”. Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka omaly hatramin’ny 15 septambra 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “Volontany”, tontosain’i Hery Zo Ralaindimby. Hosodoko maneho ny zava-misy eto an-toerana no aseho ao anatin’izay. Kolontsaina sy kilalao malagasy. Tontosaina manomboka anio, ary hitohy ny 5 sy 6 aogositra 2023, ny fampianarana […]
Lalaon’ny Frankôfônia- Hip Hop : Andrandraina ny fandresen’ny Moustik Crew
Niaka-tsehatra voalohany ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RDC, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. Andrandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny «battle», […]




