Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 11+800, Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpitondra moto iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra nanao ny fitsirihana rehetra, vantany vao naharay ny […]
Taratra
Ampasanimalo : raim-pianakaviana maty nananton-tena
Lehilahy 23 taona, maty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Ambodimanga, fokontany Ampasanimalo, boriborintany faharoa, omaly. Niala maraina handeha hiasa no nialany tao an-trano. Niverina tampoka anefa izy. Nifanandrify tamin’io fotoana io, tsy tao an-tokantrano ny vadiny sy ilay zanany. Talanjona ilay renim-pianakaviana nahita ny trano nisokatra. Niditra, vatan’ny rain-janany […]
Renikely novonoina: nofiraina antsy teo amin’ny tendany
Fatim-behivavy efa mangana sy namoaka fofona hita nihidy tao an-tranony, tao Amparafaravola , ny alahady tolakandro teo. Voarasa antsy teo amin’ny tendany, mangana ary efa namoaka fofona ratsy ny vatan’ny vehivavy iray namoy ny ainy tao fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Ambatomainty. «Nakapoka tamin’ny fandriana natoriana mihitsy io vehivavy io raha […]
Handball – Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mpanazatra ny Chateau Morange no mitantana ny Akio lehilahy
Efa ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, ny federasiona malagasin’ny handball, amin’izao fotoana izao. Mitohy eny Vontovorona ny fampivondronana ireo mpilalao 23, lahy sy vavy, voafantina mialoha. Andrianaivo Mickael, ilay Malagasy monina atsy La Réunion, manazatra ny Chateau Morange, no mitantana ny Akio, lehilahy. Ankoatra izay, nambaran’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Lomano. Manoman-tena any Toamasina, amin’izao fotoana izao, ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja lomano. Efa herinandro izy ireo izay no nanomboka ny fampivondronana tao amin’ny dobo filomanosan’ny CRJS Toamasina. Hiverina eto Antananarivo ireo mpilomano, mialohan’ny talata 8 aogositra izao. Kitra Mondial, vehivavy. Nomontsanin’i Japon, tamin’ny isa […]




