Nitantara ny nanjo sy ny antony nahatonga azy sahy nanapaka ny tanany havia tamin’ny antsibe tao Antsarakofafa Toamasina, i Albertho. Nilaza izy fa mosavin’olona no nahatonga ny fery tsy nety sitrana teo amin’ny tanany… Nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno Toamasina no nilazany ny zava-nisy marina, […]
Taratra
Boriborintany faha-VI : nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”
Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny ekipan’ny departemanta misahana ny Asa sosialy sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Eny amin’ny boriborintany fahenina, ao amin’ny fokontany Ambohimandroso, indray ny hetsika, nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana rahampitso. 600 mahery ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana hatramin’ny omaly. Ahitana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona tany Kinshasa RD Congo, omaly, ny delegasiona malagasy andiany voalohany, hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia. 44 ny isan’ny delegasiona (basikety, tolona, atletisma, tenisy ambony latabatra), miampy atleta 2 avy ao Frantsa, ahitana an’i Fabio (ping) sy i Marion (basikety). Hanainga rahampitso sabotsy kosa ny taranja Judo sy ny kolontsaina. Hotontosaina […]
Kitra sokajy vehivavy – « Mondial 2023 » : resin’i Nigeria 3 no ho 2 i Australie
Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Suncorp Australie, ny fihaonana teo amin’i Nigeria sy i Australie, taranja baolina kitra, vehivavy. Lavon’i Nigeria tamin’isa 3 no ho 2 i Australie, mpampiantranon’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taona 2023. Fifaninanana atao ny 20 jolay-20 aogositra ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny […]
Handball – JIOI 2023: nitsidika ny Akio ny minisitry ny Jono
28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Tonga nitsidika ny Akio, taranja handball, i Mahatante Paubert, minisitry ny Toekarena manga sy ny jono sy ny sekretera jeneraliny, ny alarobia lasa teo, teny Vontovorona. Niresaka […]




