Taratra

Mozika sy hira : Omen-danja ny kolon­tsaina sy ny haikanto

Nisitraka atrikasa fampianarana mozika sy hira, andiany faharoa, ny rehetra teny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo, ny alarobia sy zoma teo. Nokarakarain’ny sam­pandraharaha misahana ny haikanto, kolontsaina ary vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina tarihin-dRavelo­ma­nan­tsoa Elia, eo anivon’ny CUA. Nisitraka izany, ireo sokajin’ olona […]

Lalaon’ny Frankofonia – Kinshasa 2023 : vonona handrombaka medaly ny Malagasy

Ambohipihaonan’ny mpikatroka fanatanjahantena sy ny kolontsaina i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), amin’izao fotoana izao. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny an­diany fahasivy amin’ny lalao ho an’ireo firenena mampiasa ampahany na manon­tolo ny teny frantsay, tao amin’ ny Stade des Martyrs, kianja lehibe indrindra eto Kinshasa. Toy ny […]

Taranja baolina kitra : hampiroboroboina any anaty klioba ireo taninketsa

Miditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Hampifaly sy hanampy amin’ny fitaizana ireo ankizy sy tanora tsy ho variana na hirona amin’ny karazana zavatra mamoafady sy zava-mahadomelina ny klioba misehatra amin’ny fanaovana baolina kitra. Maro ny klioba na baolina kitra mitsangana eto amin’ny firenena ankehitriny. Entina mitaiza […]

FANTINA sy FINTINA

Misy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Ampela manao politika (AMP), Rasamoelina Brigitte. 15 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy, nefa 11 tapitrisa ihany no voasoratra. Manana adidy ny Ceni, na marina aza ny hoe misy ny olona tsy te hisoratra. Fotoana izao hananganana governemanta vaovao hikarakara fifidianana […]

Minisitra Tokely Justin : “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”

Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni, afakomaly, tetsy Ambodivona, ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin. Nohazavainy tamin’izany ny toeran’ny governemanta ma­no­loana ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana. “Manaja ny fahaleovantenan’ny Ceni ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Atitany, i Tokely Justin, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny filazan’ny antoko […]