Taratra

Lalaon’ny Frankofonia: miisa 20 ny Malagasy mpanakanto handray anjara

Nihaona sy nahazo tsodrano tamin-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Sera­sera sy ny kolontsaina, ny de­legasion’ny kolontsaina, izay hiatrika ny lalaon’ny Franko­fonia, andiany fahasivy, oma­ly. Fifaninanana hatao ao Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay 2023 hatramin’ny 5 ao­gositra 2023 izao. « Adidy sy andraikitra ny fiantsorohana ireto maherifon’ny firenena ireto amin’izao fifaninanana hatrehany […]

CUA – Hetsika ara-kolontsaina: manome hasina sy lanja ho an’ny teny malagasy ny kabary

Miaina ao anatin’ny karazana fiteny isan-karazany ny vahoaka malagasy ankehitriny. Tsy manome lanja ny fiteniny ny ankamaroan’ny olona, raha ny zavatra tsapa. Manampy hanome hasina ny tenim-pirenena, ny fianarana kabary. Mikarakara hetsika fampianarana kabary sy kilalao malagasy maimaimpoana ny eo anivon’ny fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo […]

« Lecture en rire »: hanitarana ny sain’ny ankizy sy ny tanora

Ahitana hetsika “lecture en rire” indray mandeha isam-bolana, alarobia faharoa amin’ny volana, mifandimby isaky ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Maimaimpoana ny hetsika, karakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny CUA. Nanomboka tamin’ity volana jolay ity ary haharitra hatramin’ny volana desambra ho avy […]

Akademia Malagasy: hikatona ny taom-piasana 2022 – 2023

Hofaranana, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Mala­ga­sy, Tsimbazaza ny taom-piasana 2022 – 2023. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana fizarana voalohany ny fa­nolorana ny loka tamin’ny fifaninanana famoronana sorakanto nampanaovin’ny Foibe momba ny teny, an’ny Akade­mia Malagasy, nandritra ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Hitazona ny […]

Fivoarana amin’ny tsara: mila mivelatra ho tonga mpandraharaha ny mpanakanto

Ny talenta misy, fa hatreo amin’ny fanehoana izany eny an-tsehatra ihany! Saika iharan’io tranga io ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ary ny mpanakanto manao azy. Vitsy ny sahy miroso amin’ny lalindalina kokoa. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny mpanakanto eto an-toerana tafiditra ao anatin’ny fandraharahana amin’ny kanto ataony. Anisan’ny […]