Taratra

Fihaonana amin’ireo mpanao politika : maka hevitra momba ny fifidianana ny Sadc

Efa eto an-toerana haka hevitra amin’ireo mpisehatra politika, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao, ny Sadc. Hanao tombana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo amin’izany. Hitohy anio hatramin’ny 1 aogositra ny fandraisan’ny Sadc ireo mpanao po­litika. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny eo anivon’ny MMM, tamin’ny alalan’ny filohany, Andrianainarivelo Hajo, te­tsy Antaninarenina. Voatsi­ke­ra […]

Lozam-pifamoivoizana nahafatesana Skoto : mitaky ny fampiharan-dalàna ny fianakavian’ ilay zazalahy fito taona

Manoloana ny fahafatesan’ny zazalahy 7 taona nofaohin’ny fiara teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra Mo­rafeno, ny 23 jola y teo, mitaky ny hampiharana ny lalàna amin’ny mpitondra ny fiara ny fianakaviany. Araka ny an­gom-baovao, mandeha ny feo fa havoaka hody any an-tokantranony ilay renim-pianakaviana nitondra ilay 4×4, aorian’ny 48 ora nihazonana azy. […]

TSELATRA

Olona sivy indray voasambotra tamina raharaha fakana an-keriny zaza varira iray 12 taona, tao Betamenaka, kaominina Ankalalobe, distrikan’i Belo Tsiribihina, afakomaly. Dahalo 10 lahy nirongo basy no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny azy. Ankizivavy tsy salama saina no niharan’ny fanolanana nataona lehilahy iray 40 taona tao Andratsiolona Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola, ny […]

Nandroba mpanangom-bokatra : dahalo roa lahy rotiky ny bala

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nanafika mpanangom-bokatra tao Miadamanjaka, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Nitondra vola mitentina 3 500 000 Ar, niala tao Ambatomisihazo, fokontany Antranoroa hihazo an’i Miadamanjaka, fokontany Ambohibary, ny ramatoa iray. Mpanangom-bokatra izy ka hividy entana no anton-diany. Nifanehatra tampoka tamin’ny dahalo roa lahy nitam-piadiana […]

Ranon’Ikopa-Tanjombato : Tovolahy maty nitsoraka avy eny ambony tetezana

Niantsoana mpamonjy voina ny tovolahy iray. Saika hilomano ka nitsoraka avy eny ambony tetezan’i Tanjombato. Nilentika, vatana mangatsiaka sisa hita, omaly. Vatana mangatsiakan’ny tovolahy iray 18 taona, monina eny Tanjombato no navoakan’ny mpamonjy voina, tao amin’ny reniranon’ Ikopa, omaly atoandro. Tra-doza raha niara-nilomano ta­min’ny namany izy. Voalazan’ ny olona nahita […]