Taratra

« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika sy mpanakanto 20 mahery no hiaka-tsehatra

« Harena ny fahasamihafana ». Hisongadina izany mandritra ilay fampisehoana « Fehe­zan-tseho hafa mihitsy »… Hotanterahina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ilay seho lehibe nampitondraina ny lohateny « Fehezan-tseho hafa mihitsy ». Mahatratra 20 mahery ireo tarika sy mpanakanto […]

FANTINA sy FINTINA

Hihaona amin’ireo “Diaspora” any Frantsa sy Eoropa ny filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ny sabotsy izao. Hotanterahina ao Les Voiliers 6, route de loges St Germain izany. “Miantso antsika vonona sy tia tanindrazana hifanakalo hevitra”, hoy izy, omaly. Tsiahivina fa efa nanambara ny haha-kandidà azy amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika […]

Fitakian’ny mpiasan’ny Cnaps : nohelohin’ireo sendikà ny herisetra natao amin’ny mpitarika

Nohelohin’ireo sendika re­hetra, mivondrona eo anivon’ ny SSM ny herisetra nihatra tamin’ny mpitarika ny sendi­kan’ny mpiasan’ny Cnaps. “Nametraka fitoriana izahay ary nampitsahatra tanteraka ny asa aloha. Tsy azo ekena izany, tonga amin’ny famonoana tahaka izao ny hetsika fitakiana ny tsy tokony hanaovana tantely afa-drakotra ny volam-bahoaka ato aminay”, hoy ny […]

Loza… adina

  Laza adina mivoaka alohan’ny fotoana? Efa nahabe resaka tamin’ny fanadinana BEPC. Nidona ary nihatra amin’ny fanadinana bakalorea. Tantara be ny laza adina tantara sy jeografia. Aleo handeha ary ho hita eo ny fandaminana: famerenana ny fanadinana anio, fahazoan’ny mpiadina misafidy na hiatrika izany na tsia, izay isa tsara no […]