« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika sy mpanakanto 20 mahery no hiaka-tsehatra

« Harena ny fahasamihafana ». Hisongadina izany mandritra ilay fampisehoana « Fehe­zan-tseho hafa mihitsy »…

Hotanterahina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ilay seho lehibe nampitondraina ny lohateny « Fehezan-tseho hafa mihitsy ». Mahatratra 20 mahery ireo tarika sy mpanakanto handray anjara amin’izany. Amin’ny ankapobeny, ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hahazo vahana amin’io seho io.
Ho an’ny kalon’ny fahiny arahin’ny zavamaneno piano, ho hita ao ny tarika Solika, Gasy Miangola, Angolan’Imerina. Tsy ho latsa-danja ihany koa ireo hira arahina valiha sy gitara, raha ny fanazavan-dRanaivoson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Imerina, mpikarakara ity lanonana ity. Hiaka-tsehatra ry Trio Donné Andriambaliha, Kolibera sy ny Solofon’ny ela, Ralanto, tarika Ny Tsi-Ahy sady hampiasa piano no harahin’i Zambà sy Bera amin’ny gitara sy valiha.
« Fehezan-tseho hafa mihitsy » izy ity satria hisy ireo hira hotendrena amin’ny piano , fa hahazo laka ihany koa ireo hira arahina valiha sy gitara ary sodina sy angorodao », raha ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany.
Mpanakanto hita ao anatin’ny sokajin-taona rehetra

Hiran’ny omaly, ahitana ireo sokajin-taona samihafa, Ny efa zokinjokiny toa an-dry Salomon sy Lizah Raseta, J. Andria­manantena sy David Andriantsiferana. Ireo tanora ahitana an’i Lilie Soa sy Gothlieb, Nini hihira Gaston Andrianony, Nicole Moreno, Faniry Raelison, Andriampaniry. Tombony ho an’ny mpijery, hilalao sombin-tseho na « extrait de scène » i Haja sy Oly ary Tiana. Telo mianadahy nampalaza ny Tropy Jeannette fahiny ary ny tarika Odeamson zafin’i Odeam Rakoto hame­lona indray ny kanto navelan’ny dadabeny. Hanentana ny fampisehoana amin’ny alalan’ny hainteny sy tononkalo ireo tanora beazin’ny Radio Feon’Imerina, toa an’i Ndrema sy Raozy ary Cedric sy Fy.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-25 taonan’ny Radio Feon’Imerina ity seho lehibe ity. Anisan’ny imasoan’ny mpikarakara ny fampahafantarana ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe ny maha fitaizana feno ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: