Raha atao safobemantsina, mahamay ny tanàna. Misy otrikafo tsy mbola mirehitra any ambadibadika any. May ara-bakiteny ny eny an-tanàna, na mbola anaty delestazy aza. Mahazo vahana ny hain-trano mitarika fahafatesana, na ny loza maha may olombelona. Matetika voina tsy ampoizina nateraky ny tsy fitandremana izany. Tao anatin’ny tapa-bolana, firy […]
Taratra
Tetezamita: tsy mbola maty momoka ny fiketrehana
Mbola misy ny vondron-kery mikononkonona ny tetezamita, toy ny vondron’ny mpanohitra, andaniny. Ankilany, misy ny mpanao politika efa manomana fifidianana. Tsy maty momoka akory, fa mbola andrasana ny fiafaran’ilay resaka fitondrana Tetezamita. Anisan’ ny novoizin’ireo mpanohitra, nandritra ny hetsika natao tamin’ny faran’ny volana jona lasa teo. Tapaka tamin’izany ny hananganana […]
TSELATRA
Navadika lavenona avokoa ireo rongony nilanja 40 kg tra-tehaka tao Anaviavy, kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’ Ihosy, omaly. Ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nahasarona ireo rongony ireo, ny 23 jona lasa teo. Tsy nisy olona voasambotra. Nogiazana ireo rongony efatra gony ka izao nodorana izao. Mpitandro filaminana iray […]
Enina naratra: nifandona ny mpitokona sy ny mpitandro filaminana
Olona enina nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly be Taolagnaro, omaly. Naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitokona ao an-toerana izy ireo. Nanao fanakanan-dalana teo amin’ny toerana atao hoe Amaroamalina sy “4 chémins” ireo mpitokona. “Efa niezaka nitady ny marimaritra iraisana tamin’ireo fokonolona izahay saingy misy ny […]
Fifampitifirana : jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo […]




