Mamolavola tanora ahafantatra ny tontolon’ny asa sy ny haitao ara-kajy mirindra ny Huawei Madagascar. Manana fandaharanasa telo karazana ity orinasa lehibe ity hanampiana azy ireo Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny niomerika ny haitao ara-kajy mirindra. Antony mahatonga ny orinasa Huawei Madagascar mamolavola fandaharanasa mifantoka amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity. Indrindra ho […]
Taratra
Vaovao tambatra
Mihoatra ny 5.000 Ar ny sanda ivarotana ny euro eo amin’ny tsenam-bola. Ho an’ny orinasa ara-bola tsy miankina iray, vidiany 4.500 Ar ny 1 euro, ary 5.150 Ar no ivarotany azy. Ho an’ny banky foiben’i Madagasikara, misanda 4.887 Ar ny 1 euro, omaly, raha 4.511 Ar ny 1 dolara. Tohanan’Ambatovy […]
60 taona; tsy miova ny fanambin’ny Tahirimbolam-panjakana
Natao ny 1 sy 2 ary ny 3 jolay teo, ny fankazalana ny faha-60 taona ny Tahirimbolam-panjakana. Hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ny andro roa voalohany, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Teny amin’ny CCI Ivato kosa ny andro fahatelo, « Andron’ny Tahirimbolam-panjakana ». Notolorana mariboninahitra ny mpiasa manerana ny Nosy amperinasa sy ny […]
Anivorano Antsiranana: ho voavaha afaka 2 volana ny olan’ny rano
Mitsidika any amin’ny faritra Diana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ny faran’ny herinandro teo. Nokarohina ny vahaolan’ny tsy fahampian-drano. Tsy ampy ny famatsiana rano fisotro ! Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny rano any Antsiranana. Notsidihin’ny minisitry ny Rano (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, ireo fokontany […]
TARATRY ny KANTO
Omaly, tamin’ny 4 ora maraina no nipoaka ny basy, fanairana ireo mpianjaka na mpiloloha ny efa-dahy manan-kasina amin’izao fitampoha izao. Vahoaka maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nanatrika izany fanompoambe na fitampoha izany, tao amin’ny Doany Miarinarivo. Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rebika, atao ny zoma 7 jolay 2023, no hamaranana […]




