Taratra

Ampasika : jiolahy roa lavon’ny polisy, iray voasambotra

Rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy roa nandritra ny fifanjevoana tetsy Andranovaky Ampasika, ny alin’ny zoma 30 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa mifampitaona eny amin’ny toerana iray amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, hanafika tsenam-barotra iray ao 67 ha. Nidina ifotony, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ny polisy. Nanao fihetsika […]

Fanaovana hosoka : zandary iray naiditra am-ponja

Zandary am-perinasa iray, mpanao hosoka amin’ny varotra simenitra, no naiditra am-ponja. Efa mpamerin- keloka izy, raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana. Nahafahana nanenjika azy ny fitorian’ny mpanjifa sy ilay orinasa lasibatra. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Am­ba­la­tavoahangy, ny 21 jona lasa teo, ny zandary milanja ny galona GHC iray, voarohirohy amina […]

“World Cup Basket U19” : resin’i Korea Atsimo 72 no ho 60 ny Ankoay

Niady ny lalao fiadian-toerana (9-16) ny fiadiana ny amboara eran-tany taranja basikety U19, nifanandrinan’i Korea Atsimo sy i Mada­ga­sikara, tao Debrecen Hongrie. Nanohitra mafy ny ekipa malagasy saingy resy tamin’ny isa tsy dia nifanalavitra 72 no ho 60. Nifandanja tsara ny lalao, nandritra ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa. Nanoloana ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Rugby vehivavy Hifanandrina, anio, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana rugby diviziona voalohany (D1) sy faharoa (D2), vehivavy. Ny fihaonan’ireo D2, SCB Besarety sy ny XV Red Tanjombato no hanokatra ny lalao voalohany. Aorian’io, hikatroka ry zareo samy D1, RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika. Ho fanohanana azy ireo, […]