Taratra

Ranaivoarisoa Vonifanja : sambany vehivavy ny tale jeneralin’ny CEM

Aina vao indray no hoentin’ny tale jeneraly vaovaon’ny Caisse d’Epargne Madagasikara. Tanjona ny hahazoan’ny orinasa tombombarotra, ny fitomboan-karena ary maharitra. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, ny alakamisy 29 jona teo, ny tale jeneraly (DG) hitantana ny Caisse d’Epargne Mada­gasikara (CEM). Taorian’ny masontsivana samihafa, tinapaka teo anivon’ny filankevi-pitantanana fa Ranaivoarisoa Vonifanja […]

Antanimora-Fondation Axian : nohavaozina ny toeram-panarenana ny ankizy

Natao omaly, ny fitokanana ny fanavaozana ny fonja ao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, eny Antanimora. Voa­voatra ny fotodrafitrasa toy ny lakozia, ny efitrano fianarana sy fanofanana, ny efitrano fatoriana, ny biraon’ny mpiandraikitra ary ny tokotany. Fiaraha-miasa eo amin’ ireo orinasa 7 miara-miasa amin’ny Fondation Axian […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa mandritra ny « Festival Evason danse » andiany faharoa dia hotapaka amin’ny ampahany ny araben’ny fahaleovantena, ny talata 4 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tompon’andraikitra amin’ny filaminana mandritra izany ny mpikarakara ny hetsika. Mandritra ny carnaval ataon’ny Mpamakilain’i Madagasikara anio, manomboka amin’ny […]

Fonjan’Antanimora : misy migadra hatramin’ny 20 taona ireo ankizy

Namono olona ny sasany amin’ny ankizy migadra eny Antanimora. 20 taona ny sazy be indrindra amin’izy ireo. Toeram-panarenana satria misy fiofanana sy fampianarana ao an-toerana. Nandritra ny fitsidihana natao teny amin’ny fon­ja an’Antanimora, tao amin’ny toerana natokana ho an’ny ankizy tsy ampy taona, omaly no nahafantarana fa misy 122 ireo […]

Antsantsamoroy: fari-dranomasina 10 ha hiompiana zanga

Ho fampihenana ny tsindry ataon’ny mpanjono madinika amin’ny rohivoahary an-dranomasina, nofanina amin’ny fiompiana zanga (dingadin­gana) « concombre de mer » ny mpanjono anatin’ny tetikasa Nosy manga, miaraka amin’ny Indian Ocean Trepang (IOT). Ny orinasa no manome ny zanaka zanga ho an’ny mpanjono ary ireto farany no miompy azy anatin’ny ranomasina sy mivarotra indray […]