Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy […]
Taratra
Fanahiana kolikoly: naiditra am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, Cnaps
Naiditra am-ponja omaly, ny tale jeneraly vonjimaika mitantana ny Canps, i Tsaboto Joslina. Anisan’ny voalaza ho anton’izany ny kolikoly nataony amin’ny fampidirana mpiasa “Recrutement“. Niakatra tetsy amin’ny fampanoavana, eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha ny alakamisy teo ny tenany. Efa ny zoma tamin’ny 2 ora […]
4×4 tra-doza tao Ambatolaona: olona iray maty, mpandeha 10 naratra
Maty tsy tra-drano ny iray, olona am-polony naratra teny amin’ny RN2, omaly. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpandeha tra-doza, teny amin’ny RN2, teo amin’ny PK 57+22, fokontany Ambatolaona atsinanana, distrikan’i Manjakandriana, omaly. Tamin’ny 11 ora sy 50 minitra, nikasa hihazo an’Antananarivo ny fiara mpitatitra entana iray avy any Moramanga. […]
Cisco Kandreho: 46,57% ny taham-pahafahana CEPE
Nivoaka omaly, ny ampahany amin’ny valim-panadinana CEPE 2023, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ao amin’ny tambajotran-t,seraserany. Ho an’ny Cisco Besalampy nahattatra 46,65% ny taha, raha 78,12% ao amin’ny Cisco Ambatolampy. 78,77% ny taha ao Manandriana. Any amin’ny Cisco Andramasina, 86,75% ny taha ary ambany ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco Kandreho […]
Hiavaka ny matson’ny Foloalindahy… Handray anjara ireo Tafika Frantsay ao La Réunion
Mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra nandritra ny famerenana ny matso, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly. Hiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy amin’ity satria handray anjara ireo Tafika Frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ao La Réunion. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena […]




