Ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena izao: miravaka ny tanàna, mirefodrefotra ny tsipoapoaka… Misy apoaka hatrany ny Malagasy? Eny, na eo aza ny fahasahiranana. Fankalazana, seho na hetsika, avokoa izany rehetra izany, fanomezam-boninahitra ny firenena sy ny fiandrianampirenena… Zava-dehibe ny Fahaleovantena izaka-manana ny tena sy ny firenena mbamin’ny hareny. […]
Taratra
Fotodrafitrasa hiahiana ny tontolo iainana: nitaky ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny filoha
Nandray anjara tamin’ny dinika momba ireo fotodrafitrasa maitso aty Afrika “Alliance pour les infrastructures vertes en Afrique -AGIA” ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Paris. Hentitra ny nambarany tamin’izany. Anisan’ny firenena Afrikana voalohany nankatoa ny politika nasionaly momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy nahavita nandrafitra ny “Plan National d’Adaptation” […]
Tetikasa PIAA2: hosorohina ny tondra-drano
Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola Antaninarenina, ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola, mitentina 8 tapitrisa Euros avy any amin’ny Vondrona eoropeanina. Hanatanterahana ny tetikasa « Programme d’Intégré d’Assainissement d’Antananarivo » (PIAA 2). Nanao sonia izany, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa eto Madagasikara […]
Banky iraisam-pirenena: mila jerena ny fampiasana ny angovo azo havaozina
Mamarana ny fotoam-piasany eto Madagasikara i Marie Chantal Uwanyiligira, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena. Nisy, araka izany, ny fihaonana sy lanonana fanaovam-beloma ireo mpiara-miasa aminy teny amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena, eny Anosy, omaly. Fotoana izay nanaovany tombana ny asa vitany nandritra ny efa-taona niasany teto Madagasikara. Lohahevitra maro no noresahiny […]
“World Cup U19”: azon’ny Ankoay atao tsara ny mandresy ny ekipam-pirenena amerikanina
Hanomboka anio, any Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, latsaky ny 19 taona. Vonona ny hanohitra ny Amerikanina ny Ankoain’i Madagasikara. Hiakatra an-kianja voalohany anio, amin’ny 1 ora ny Ankoay, ekipam-pirenena malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Cup U19”. Miandry ny ekipan’ny Coach Randria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana ry […]




