Taratra

Ranomafana: kamiao nitondra solika nivadika

Tra-doza ka nivadika ny kamiao lehibe iray mpitatitra solika an’ny Jirama tao Sahamamy, kaominina Ranomafana, distrikan’i Brickaville, omaly. Nikasa hihazo an’Antananarivo, niharam-boina tampoka io fiara lehibe io. Nivoaka ny arabe, nivadika ny fiara. Vokany, naratra ny mpamily. Nentina notsaboina ao amin’ny CSBII Ranomafana avy hatrany izy. Potika tanteraka ny lohan’ny […]

Zava-mahadomelina: nodorana  ireo rongony 312 kg mahery

Navadika ho lavenona ireo rongony 312,25 kg saron’ny zandary tao  amin’ny fokontany Ambodivohitra, kaominina  Antsamaka, distrikan’i Bealanana,  afakomaly. Saron’ny mpitandro filaminana vao mangirandratsy teo amin’io fokontany io ireto zava-mahadomelina ireto. Tao anaty gony miisa 12, tsy nahitana olona nitondra ireo entana ireo. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny gony. Rongony avokoa no […]

Filohan’ny Ceni: “Lera izao hirosoana amin’ny fifidianana”

Notanterahina omaly, teny Alarobia, ny dinika faharoa nokarakarain’ny Ceni, iarahana amin’ireo mpisehatra politika rehetra sy ny fiarahamonim-pirenena. Mazava ny nambaran’ny filohan’ity rafitra mikarakara fifidianana ity.   « Lera izao hanamafisana ny fitiavan-tanindrazana ; hanentanana ny olom-pirenena hiditra anatin’ny lisitry ny mpifidy ; hirosoana amin’ny fifidianana madio eken’ny rehetra», hoy ny filohan’ny  […]

Lapan’i Mahazoarivo: nomena baiko hentitra ny mpitandro filaminana

Namory  maika ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny OMC/Nat, ahitana ny avy amin’ny Tafika sy ny zandary ary ny polisy sy ny eo anivon’ny prefektiora ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Hentitra ny toromarika tamin’izany.   Anisan’ny nodinihina sy nametrahana paikady ny lafiny filaminana sy ny fandriampahalemana, manerana […]

Kitra – Fifidianana federaly : miantso ny klioba tsy handatsa-bato i Faneva Ima

Hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fifidianana ny tontolon’ny kitra eto Madagasikara. Hisantatra iza­ny ny seksiona miisa 101 manerana ny Nosy. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 1 sy 2 jolay ho avy izao izany. Manoloana io, nanao antso avo amin’ireo klioba rehetra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, efa ho roa herinandro […]