Mivarotra hosoka, tra-tehaky ny zandary tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, etsy Mahazo, ny lehilahy iray, afakomaly. Mandresy lahatra ny mpividy hanjifa ny telefaonina eo aminy izy. Rehefa raikitra ny fifampivarotana, havadiny zavatra hafa ny finday anaty baoritra. Soloiny tranony fotsiny ilay finday tena izy. Lasa lavitra ny mpividy vao tonga saina. […]
Taratra
Halatra sy herisetra : ankizy teo am-pandriana nofiraina antsy teo amin’ny lohany
Vaky nisy dian’antsy mihitsy ny lohan’ilay ankizy 9 taona iray nokapain’ny jiolahy ny antsy teo am-pandriana, tao Toamasina. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy efatra nitondra fitaovam-piadiana tao Analankininina Hopitalibe Toamasina, parisela 12/21-22, ny herinandro teo. Niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy ka niditra tao an’efitrano fandrian’ireo olon-dehibe. Nanambana basy sy antsy […]
Picas 1 : fampandrosoana ny fambolena indostrialy any atsimo
Mifototra amin’ny fambolena ny fiveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy. Miantoka ny 20%-n’ny harinkarena faobe (PIB) eto Madagasikara, ny taona 2017. Toraka izany koa ny any atsimon’ny Nosy, nefa marefo manoloana ny haintany ka nihena be ny rano, tsy ampy ny masomboly sy ny vokatra. Araka ny antontanisan’ny sampandraharaha iraisampirenena ara-tsakafo IPC, ny […]
Fambolena vilona : antoka ho an’ny fahadiovan’ny ronono
Anisan’ny manatsara ny sakafon’ny ombivavy be ronono ny fihinanany vilona. Antoka ihany koa izany amin’ ny fahazoana vokatra ronono tsara. “Mila sakafo ampy sy sahaza azy ny omby vavy be ronono raha tiana ny hahazo vokatra tsara” hoy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny dokotera Raymond, nandritra ny fankalazana […]
fizahantany : mila ampitomboina ny sidina miditra
Anisan’ny nanamarika ny salon International tourism fair Madagascar (ITM) ny fihaonan’ireo mpandraharaha samihafa misehatra amin’ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany tokoa ny hahatratra mpizahatany 1 tapitrisa ho tonga eto Madagasikara, amin’ ny taona 2028. Anisan’ny voaresaka tamin’izay fa tsy maintsy hampitomboina avo telo heny ny sidina iraisam-pirenena isan-kerinandro […]




