Hanampy ny tanora malagasy mpandraharaha sy hanome asa ary hampiroborobo ny fananganana orinasa. Ireo ny tanjon’ny programa “Miary Digital”, ataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra. Sehatra tsy azo ihoarana ao anatin’ny fanatontoloana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Antony nahatonga ny […]
Taratra
Mandritra ny CEPE : hanjaka ny zavona maraina
Nitsoka ny varatraza ny faran’ny herinandro. Nihanalefaka izany manomboka anio, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Ampandrianomby, omaly. Ho an’ny anio, nihanalefaka ny tsiokan’ny varatraza. Mahatonga izany ny fisian’ny rindrin-drahona ao amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mbola hahazo orana malefaka any Sava sy Analanjirofo. Ho maina ny […]
Usaid- Tetikasa “Rindra” : Kaominina 100 manerana ny Nosy hahazo tombony
Kaominina 100 no misitraka ny tetitasa « Rindra » manerana ny Nosy, izay tohan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid). Mba ho fanamafisana izany, nisy atrikasa telo samihafa, naharitra hateloana tany Analanjirofo. Nandrakotra ireo distrika telo sy kaominina 14 misy ny tetikasa “Rindra” izany. Ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana […]
Fiteny anglisy: mpitarika fikambanana 30 nahazo fiofanana
Nifarana tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny atrikasa fiofanana nokarakarain’ny governemanta Amerikana. Nisitraka izany ireo mpitarika English club moderator training (ECMT) 30 avy any an-toerana.Tanjona ny hanatsarana sy hamehezana ny fahaizan’ny mpianatra ny teny anglisy Amerikana. Niavaka ny fiofanana satria nomena azy ireo ny teknika rehetra ahafehezana ny fitenenana, […]
CEPE 2023 : 99 ireo mpiadina manana fahasembanana
Ho tanterahana rahampitso manerana ny Nosy ny fanadinana CEPE. Afaka nijery ny efitrano hiadinany ny mpiadina nanomboka omaly. Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ho an’ny tsirairay hatry ny faran’ny herinandro lasa teo. Ho an’ireo mpiadina manana olana, tsy nahazo ny taratasy fiantsoana noho ny tsy fandoavana saram-pianarana, mila manatona […]




