Maty voarasa antsy ny mpividy volamena roa lahy nitondra moto, afakomaly. Voaroba ny vola sy volamena. Lehilahy efatra vosambotry ny zandary. Voasambotra omaly ireo efa-dahy ahiana ho namono nahafaty ireo mpividy volamena roa lahy voarasa antsy tao amin’ny Pk 17, anatin’ny lalam-pirenena faha-14. Nitrangana vono olona mahatsiravina niaro fandrobana tao […]
Taratra
Fandehanana mafy : moto tra-doza, iray namoy ny ainy
Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny lehilahy iray nitaingina moto tao Betoloho, Ambandrika, distrikan’Ambatondazaka, ny alatsinainy teo. Nandeha mafy, nifatratra tamina andrin-jiro ny moto nentin’ny naman’io lehilahy io. Nipetraka tao aoriana, nipitika avy hatrany ireto roa lahy ka namoy ny ainy ilay nentina. Naratra kosa ilay nitondra ny […]
Tsiroanomandidy : dahalo iray lavo, omby 60 tafaverina
Ravan’ny mpitandro filaminana ny asan-dahalo tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alin’ny 7 hifoha ny 8 jona teo. Niparitaka ireo dahalo 50 lahy ka votsitra teny amin’izy ireo ny omby halatra. Omby maherin’ny 60, tafaverin’ny mpanara-dia ireo dahalo 50 nanafika tao amin’ny fokontany Tsaratanàna, kaominina ambanivohitra Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny faran’ny […]
Adiny iray ny fifampitifirana… : avotry ny zandary ireo mpianaka nalain’ny dahalo an-keriny
Mafy ny fifandonana ! Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, notarihin’ny kapiteny Marius, nampian’ireo vondron-kery manokana avy eo anivon’ny FIGN/GSIS (tarihin’ny kapiteny Anondahy) sy ny andian-dahalo mpaka an-keriny, omaly vao maraina. Tao amin’ny toerana atao hoe Ambohitrafovoany Andriamena no nifanehatra ireo zandary sy ny dahalo. Raha […]
Mpisoloky voasambotra: misandoka ho mahatafiditra mpiasa
Zatra ny lalan-dririnina! Noraisim-potsiny ny mpisoloky iray taorian’ny fanadihadiana nataon’ny kaompanian’ny zandary Tana/Ville, omaly. Misandoka andraikitra ho mahatafiditra mpiasa amina orinasa. Mividy gazety ahitana ny laharan’ireny olona mitady asa ireny izy. Antsoiny, anaovany fotoana ilay mitady asa ka amoronany tetika maromaro ahafahany misandoka. Fantariny ny asa ilain’ilay olona. Omeny laharana […]




