Taratra

Mpivady voatafika : rangahy voakapa famaky, ramatoa voafira antsy

Naratra mafy izy mivady voatafika tamin’ny talata alina. Voakapa famaky ny lohan-drangahy. Voafira antsy ny tanan-dramatoa. Miandahy miambavy ny mpanafika. Voatafika ny mpivady, mpivarotra enta-madinika, monina ao An­dra­nomanganahana, distrikan’i Farafangana, ny talata alina lasa teo. Nokapain’ny jiolahy famaky ny raim-pianakaviana. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny lamosina. Mbola voafira […]

Tsipy kanetibe – «Mada 2023» : hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Araka ny fanapahan-kevitra niarahan’ny filohan’ireo ligim-paritra sy ireo mpitantana ny klioba ary ny mpanohana, tinapaka fa hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe. Misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ary eken’ny Federation sport boule […]

“Fiba World Cup U19”: hihaona amin’i Chine i Madagasikara

10 andro mialohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety “Fiba World Cup U19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona – 2 jolay, hanao fiofanana any Serbia ny Ankoay. Araka izany, misy lalao andrana efatra ataon’ity ekipam-pirenena malagasy ity, ao amin’ny “Centre Vizura sport” Bel­grade. Anisan’izany, ny fifanandrinan’izy ireo […]