Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao […]
Taratra
Torimaso fotsy: fiara tsy mataho-dalana, nahafaty mpitaom-biriky
Maty tanatin’ny indray mipi-maso ny mpitaom-biriky iray. Voafaokan’ny fiara teny Anosizato, omaly. Voalaza fa tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. Olona iray namoy ny ainy teo no ho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana iray nikasa hihazo an’Ampitatafika no niharan-doza […]
Teo am-pikononkononana fanafihana : jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy mpamerin-keloka, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonana fanafihana mitam-piadiana ao Tsaravavaka Antsirabe ka namonjy izany. Vao nahatazana ny polisy ny andian-jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nifamaliana ny tifitra, maty ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy hatramin’ny […]
Nafenina tanaty kizo: rongony 81 kg saron’ny zandary
Tratran’ny zandary tao amin’ny kizo ao Sahavia, kaominina Tsianofana-Vangaindrano, ny rongony tamin’ny gony miisa valo, ny alin’ny 9 jona lasa teo. Nentin’ny efa-dahy tamin’ny lakana izany. Nampitandrina azy ireo tsy hihetsika ny mpitandro filaminana. Nitsambikina, nilentika tao anaty rano ny mpitondra ny entana. Navelan’izy ireo nihahaka ny rongony, nogiazan’ny mpitandro […]
Kizon’Akondrokely: maty voatifitry ny zandary i Kakaboy sy ny namany
Voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kizon’Akondrokely, ny alahady alina teo, i Faby na i Kakaboy. Tao amin’ny kizon’ Akondrokely, kaominina Ambato no nifanehatra tamin’ny zandary ity jiolahy raindahiny ity. Voalazan’ny fampitam-baovao fa herinandro mahery teo no nahenoan’ ireo zandary miasa ao amin’ ny zana-tobim-paritra (PA) Avaratsena Sahalemaka […]




