Taratra

Herinandron’ny fizahantany : natomboka tamin’ ny “Cleaning day”

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, teny amin’ny La Haute ville, ny herinandron’ny fizahantany eto Antananarivo. Nisy, ara­ka izany, ny hetsika «Tourism cleaning day». Nikarakara izany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ary ny hetsika asa tanamaro nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanadiovana ireo […]

Fakana an-keriny : mitaky ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo olona varira

Mbola miaina anatin’ny tahotra sy ahiahy ireo olona manana toe-tena varira na dia efa nisy aza ny ezaka natao sy ny fihenan’ny taha, raha ny nambaran’izy ireo. Mila ampiharina mafy kokoa ny sazy famaizana ho an’ireo manao ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fampiatiana […]

Hiragasy: tsara fanombohana ny tsena

Volana jona, ao anatiny tanteraka ny fampisehoana adin-kiragasy… «Tsara fa­nombohana kokoa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa», hoy i Dadafara, iray amin’ireo mpikarakara seho eo amin’ny tontolon’ity zavakanto malagasy ity. Raha ny fanazavany hatrany, somary nitodika tamin’ny hiragasy ny Malagasy noho ny fanentanana natao azy ireny ho any amin’ny fiverenana […]

Tabera R. : “Hanao fifidianana ny Tetezamita”

“Manohana ny fanan­ganana ny fitondrana Tete­zamita izahay. Hikarakara fifidianana fotsiny ireo ao anatin’izany governemanta hijoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny CRN, i Ta­bera Randriamantsoa. Izay ho Praiminisitra amin’izany no handamina an’izay fikarakarana fifidianana izay, satria tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izy. Toy ny Praiminisitra tamin’ny Tetezamita, taona 1992, […]