Taratra

Karate – “Coupe du Président” : nampiseho ny fahaizany ry Rajaonarison

Tsy misy taona ary tsy misy fetrany ny fanatanjahantena, fa rehefa ao anaty dia ahitana vokatra tsara. Anisan’ny mpikatroka ni­son­gadina sy nampiseho ny fahaizany, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, farany teo, Rajaona­rison Gallie CN 4è Dan (50 taona), 33 taona nanaovana karate tao amin’ny Akka Tsaralalana. Tompondaka sokajy Vétéran […]

Kick-boxing – «Les ceintures des champions»: laharana faharoa i Madagasikara

Tontosa ny sabotsy 3 jona lasa teo, tatsy Maurice, ny fifaninanana “Les ceintures des champions”, taranja kick-boxing. 9 mianadahy no nisolo tena an’i Madaga­sikara izay tsy nampitsanga-menatra raha ny vokatra azo. Laharana faharoa no nisy ny firenena malagasy rehefa nandrombaka medaly volamena 5 tamin’ireo katrok’ady miisa 12. Firenena 4 no […]

Rugby – “XXL Top 20” : tsy nahatohitra ny Uscar ny USA Ankadifotsy

Nitohy, omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahefatra sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “XXL Top 20”. Nandresy avokoa ireo ekipa goavana. An­isan’izany, ny kaominina Antananarivo renivohitra Us­car, nandavo ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa mazava. 53 no ho 16. Tsy nahatohitra […]

Basket-ball—”World Cup U19″: hanatevin-daharana ny Ankoay i Léon Emmanuel sy i Thesbon Syney

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny lisitry ny mpilalao 12 mandrafitra ny Ankoay, hiatrika ny “World Cup U19”. Ankoatra ny mpilalao avy eto an-toerana, hisy avy any Frantsa hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Araka ny hita ao anaty lisitra, hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay de Madagascar, taranja basikety […]