Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tao Ambositra, ny alahady alina teo. Ny voalohany, tao Ampany, kaominina ambonivohitr’ Ambositra, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nanafika tokantrano iray, kanjo tonga ara-potoana ny polisy rehefa nahazo fampandrenesana avy amin’ny tsara sitrapo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity ka namaly […]
Taratra
Filan-dratsy: mpiandry omby vao 12 taona nanolana ankizivavikely
Voasambotry ny zandary ny tovolahy iray 12 taona, nanolana zazavavy vao 8 taona, zanaky ny mpampiasa azy , afakomaly. Tratra ihany! Noraisim-potsiny ny zazalahy nanolana sady nandrahona ho faty ny zazavavy 8 taona zanaky ny mampiasa azy tao Anjiajia, kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Mpiandry ombin-drain’io zazavavy io izy, niasa tao […]
Axian- Campus 42: sekoly informatika maimaimpoana
Misokatra eny amin’ny oniversite Axian, eny amin’ny Galaxy Andraharo, ny toeram-piofanana campus 42 Antananarivo. Fampianarana sy fampiofanana maimaimpoana mikasika ny informatika sy ny niomerika. Firenena fahefatra manana ity toeram-piofanana ity, aty Afrika i Madagasikara. Nilaza ny talen’ny fampianarana 42 any Paris Frantsa, Olivier Crouzet fa tsy ampy betsaka ny olona […]
Airtel – «10.000 codeurs»: fampianarana informatika
Natao sonia, ny zoma 2 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagasikara sy ny fikambanana «10.000 codeurs». Mifantoka amin’ny fanofanana informatika maimaimpoana ny tanora malagasy ny fifanarahana. Tafapetraka ny tetikasa taorian’ny fihaonambe faha-12 ny fiovana mankany amin’ny niomerika aty Afrika (ATDA). Nilaza ny tale jeneraly lefitry ny Airtel Madagasikara, […]
Angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro: manomboka amin’ny 10.000Ar ny kit anti-delestage
Miroborobo ny varotra an’ireo kit anti-delestage hatramin’ny niandohan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Misy fotoana tsy maharaka ny entan’ireo mpivarotra. Anisan’ny tsena nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsy ny varotra ireo karazana kit anti-delestage enti-miatrika ny fahatapahan-jiro isan’andro. Miroborobo fatratra ny tsena. Manomboka amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 300.000Ar ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny […]




