Tsy mbola sasatra ny mampahatsiahy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny raharaham-pirenena. Notakin’izy ireo ny hijerena ny lalàna, mialoha ny fifidianana. Rehefa vita ny zotram-pifidianana iray, misy ny torolalana miainga amin’ny fanaraha-maso nataon’ireo mpanara-maso eto an-toerana na avy any ivelany. Entina hanatsarana ny lalàna izany. “Nahatonga ny KMF/ Cnoe nilaza […]
Taratra
Filoha Andry Rajoelina tany Analanjirofo : “Fanamby ny mamelona sy mampisakafo ny vahoaka”
Nitsidika ny tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny filoha Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nihaonany voalohany ny tao Anjahana. Maherin’ny 91% ny vato azony manerana ny distrikan’i Maroantsetra tamin’ny fifidianana. Nisaorany ny vahoaka ary nambarany fa anisan’ny fanamby ny hahatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo. “Mahavita mamelona sy manome […]
Valalabemandry… valaka be miandry
Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, hono. Tsy mahita mbamin’ny mason-tsainy? Amin’izao famaramparanan’ny mpitondra ny fe-potoam-piasany izao, manaiky sy miaiky ny maro fa misy ny zava-bita eo amin’ny fanorenana fotodrafitrasa: sekoly manara-penitra, hopitaly, tsena… Tsy misy distrika hadino. Mba manao ahoana kosa ny vahoaka amin’ izany? Ny fomba fiaina […]
Habibiana : roa lahy novonoina, tsy hita ny lohany
Lehilahy roa hita faty, tsy nisy loha intsony tany Ejeda, afakomaly. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho. Anatin’ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena. Nampihoron-koditra ! maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny lehilahy roa, samy sahabo ho 40 taona mahery. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy ireo. Razana tsy nisy loha […]
Tsy mifidy intsony… : roa lahy tratra nangalatra cageot feno zava-pisotro
Noraisim-potsiny! Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa tratra teo am-pangalarana cageot feno zava-pisotro sy elobe tamina toeram-pivarotana iray eny Betongolo, omaly. Nahasambotra azy ireo ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3), Antaninandro. Naharay fitarainana avy amina mpivarotra iray eny Betongolo izy ireo, omaly, milaza ny fisiana lehilahy roa nangalatra […]




