Tsy mety fa ! Tratra ireo mpamaky trano telo lahy tao amin’ny fokontany Nanganehana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manjakandriana, omaly maraina. Tamin’ny 2 ora, nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ka nandroba tsenakely iray izy telo lahy. Voaroba ny entana toy ny paty, bisiky, hatramin’ny voamaina. Nirifatra nandositra avy hatrany ireto farany rehefa […]
Taratra
Nirefodrefotra ny basy : Polisy iray naratra, jiolahy rotidrotiky ny bala
Nihorohoro vao maraina ny mponina teny Anosibe Mandrangobato sy ny manodidina, ny sabotsy teo. Nifampitifitra ny polisy sy ny jiolahy ka maty voatifitra ity farany. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Toy ny fanaony mahazatra, nanatanteraka fisafoana tany anaty elakela-tranon’ Anosibe ny polisy manao fanamiana sivily. Nandritra izany, nifanehatra […]
Fonjan’Antanimora : misy gadra nefa tsy voasoratra anaty kahie
Nidina tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly. Hita tamin’izany ny lesoka eo amin’ny fanoratana ny gadra anatin’ny kahie mirakitra ny anaran’izy ireo. Tonga nanamarina tampoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny fonjan’Antanimora ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Niaraka tamin’ny delegasiona avy […]
Kick Boxing-“Les ceintures des champions” : hifandona amina Afrikanina tatsimo i Sandra sy i Joel
Hanomboka anio, ao amin’ny Nosy Maorisy, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Les ceintures des champions”, taranja kick boxing. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka mpikatroka 9 mianadahy, 2 vavy sy 7 lahy no hifaninana. Maorisiana sy ny Malagasy no mifaninana amin’ity fifaninanana ity ary misy mpikatroka avy any Afrika Atsimo sy Torkia […]
Rugby – «XXL Top 20»: hifampitady Ankady sy ny USCAR
Hitohy rahampitso alahady 4 jona, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapaneka, ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fihaonana goavana miisa 4 no hotanterahina amin’ izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny US Ankadifotsy (tapany maitso) sy ny USCAR, kaominina Antananarivo Renivohitra. Samy zanaky […]




