“Antoky ny hoavy mamiratry ny ankizy ny anio”. Io no lohahevitra ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy amin’ity volana jona ity. Nitondra teny fiarahabana ho an’ny ankizy rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Fotoana hampahafantarana ny zon’ny […]
Taratra
Sampana Fanantenana -FPVM : « Varavarana hidiran’ny tanora amin’ny zava-mahadomelina ny sigara »
Nisafidy ny dihy mirindra sy ny tantara an-kira ny tanora mivondrona ao amin’ny sampana Fanantenana, eo anivon’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano, hanairana sy hanentanana ny tanora sy ny daholobe momba ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Teny Analakely izy ireo no nanao ny hetsika, ny alarobia lasa teo, izay Andro iraisam-pirenena natokana tsy […]
Fitsidihana tsena : neken’ny ben’ny Tanàna ny fangatahan’ny mpivarotra
Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin’ireo tsena (Andrefan’i Mananjara sy Ankadimbahoaka ary Tanjombato) ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly. Nanararaotra nitaraina sy nangataka zavatra maro amin’ ny tokony hanatsarana ny fotodrafitrasa eny anivon’ny tsena ireo mpivarotra sy ny mponina nandritra izany. Neken’ny ben’ny Tanàna ny fangatahana sy fitarainan’ izy ireo, […]
Cntemad : mampisavorovo ny mpianatra ny fikirakirana ny naoty
Miteraka savorovoro teo amin’ny mpianatra ny naoty miverimberina mandritra ny fanadinana voalohany sy faharoa. Nilaza ny teo anivon’ny sekoly fa misy ny lamina amin’ny fikirakirana izany. Nifampitaona teny Behoririka ka niresaka tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’ireo mpianatra eo anivon’ny ivontoeram-pampianara ambony (Cntemad) Ankadifotsy, omaly. «Tsy araka ny tokony ho izy […]
Njakatiana sy i Bodo : hanolotra « Amboaran-kira ho an’i Neny »
Fetin’ny reny ny alahady 4 jona ho avy izao. Ankoatra ny efa mahazatra ny mpianakavy, anisan’ny fanomezana azo hatao ho an’ny reny ihany koa ny fampisehoana. Antony iray hanoloran’i Njakatiana sy i Bodo ny “Amboaran-kira ho an’i Neny io. Fampisehoana goavana, hotontosaina etsy Antsahamanitra izy ity, manomboka amin’ny 2 ora […]




