Taratra

Nanana taranaka vanona ny Malagasy : mpanabe azo antoka ny reny tompon’ny tokantrano

Ho tonga tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny ». Na fombam-bahiny aza izy io, efa zary ankalazain’ny Malagasy ihany koa… Nanana ny toerana nametrahan’ny ankohonana sy ny fiarahamonina azy ny reny fahiny, noho ny fandraisany anjara goavana amin’ny fanabeazana ny taranany ho tonga olom-banona any aoriana. Tsy marina ny filazana fa […]

Handball-IHF Trophy Zone6 : nomen’ny MJS valin-kasasarana ny Akio

Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan­tena, Resampa André Haja tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy Akio handball, sokajy cadette sy junior izay avy niatrika ny “IHF Trophy Africa-Zone 6”, natao tany Afrika Atsi­mo. Notoloran’ny minisitra fisaorana sy valin-kasasarana izy ireo tamin’ny vokatra tsara azony, ka nanandratana […]

Volley – GNVB: tanjona ny haka amboara

Haka ny amboara aty amin’ny ranomasimbe In­dianina indray no tanjona manaraka ho an’ny Zanda­rimaria Nasionaly Volley-ball. Io no nambaran’ny Chef d’Escadron Fortunat, filohan’ny klioba, omaly, tetsy Betongolo. Nambarany fa ny resin’ny ekipa avy atsy amin’ny Nosy rahavavy no mampalahelo azy ireo fa tsy ny resin’ny ekipa eto an-toerana. Tsiahivina, vao […]

Tenisy – Mondial 2023 : handray anjara amin’ny Billie Jean King Cup sy ny Davis Cup i Madagasikara

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy sy ho fampivoarana ny taranja tenisy, hiverina hiatrika ny fifaninanana eran-tany, taranja Tenisy indray i Madagasikara. Ny Billie Jean King Cup ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny Davis Cup ny lehilahy. Mialohan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 23 aogositra – […]