Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika «héroïne» voasambotry ny polisy tetsy Antsalovana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, tra-tehaka teo am-pitsindronana izy. Tovolahy 23 taona ity voasambotra. Niaiky ny heloka izy. Nilaza tamin’ny mpanao famotorana fa efa am-bolana maro no niankin-doha tamin’ ny zava-mahadomelina. Karohina ny namany, voalaza fa mpividy izany. Tra-tehaka […]
Taratra
Nirefodrefotra ny basy: nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy teny Ambohidratrimo
Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary, tetsy Sabotsikely Ambohidratrimo, omaly maraina. Nikasa hanafika tokantrano ny olon-dratsy no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy tao amin’ny fokontany Sabotsikely, kaominina Ambohidratrimo, omaly, tamin’ny 1 ora maraina. Maty voatifitra ny jiolahy iray. Tavela […]
“World Cup 3×3”-“Match Test” : raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Ankoay
Lalao miisa 3 no natrehin’ny ekipa malagasy Ankoay, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe, “tournoi” iray hifandonana amin’ireo ekipa Pro Senior, ao Serbie, ity lalao ity. Mafy ireo ekipa nifanandrina tamin’ny ekipa malagasy, araka ny nambaran’ny mpanazatra saingy niezaka nanohitra […]
Handball – IHF Trophy U17 : resin’i Zambia ny Akio de Madagascar
Nanomboka, omaly, atsy Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja handball sokajy zandriny U17 sy U19 vavy na ny « IHF Trophy ». Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar U17, teo amin’ny andro voalohany ho an’ny sokajy “A”. Resin’i Zambia, tamin’ny isa 41 no ho 32 ny […]
Madagasikara 30 – 10 Cameroun : manam-panantenana hiatrika Mondial indray ny XV Makis Ladies
Mbola azo lazaina fa mbola ao anatin’ireo ekipam-pirenena haka ny tapakila handraisana anjara amin’ny “World Cup” indray ny XV Makis Ladies. Resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10 ny Lionan’i Cameroun. Mbola velombolo hiatrika ny “World Cup Rugby”, ny ekipam-pirenena malagasy XV Makis Ladies, amin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s […]




