Taratra

Ambohimalaza: telo mianadahy voasaringotra tamina vaky trano

Tra-tehaka tao amina tokantrano iray ny entana halatra, very efa ho efa-bolana lasa, tetsy Ambohimalaza, afakomaly. Renim-pianakaviana iray sy ny vadiny no voasambotry ny zandary. Nisy namaky ny tokantrano iray tao Ambalavato, fokontany Andranonomby Ambohima­laza, ny 13 janoary lasa teo. Tsy vitan’io, mbola nivere­nan’ireo olon-dratsy indray io tokantrano io, ny […]

Fisolokiana : tratra ireo mpanao feona kalanoro

Naiditra am-ponja vonjimaika ireo telo lahy nisoloky olona maromaro tao Antsi­ra­nana, tamin’ny alalan’ny fa­na­ovana feona kalanoro, afakomaly. Mitarika ireo olona sasany mitady harena ireto mpisoloky ireto. Resiny lahatra hanatona toerana. Manao ny feon’io zavatra io ireto olon-dratsy ireto. Resy lahatra tokoa ireo olona fa tena kalanoro no ren’izy ireo. Am­pa­naterin’izy […]

Poa-basy tetsy 67 Ha : rotiky ny bala Ra Nationale, jiolahy raindahiny

Nifarana hatreo ny asa ratsin-dRa Nationale na i Dadandry, anisan’ireo jiolahy raindahiny amin’ ny fanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Tratra tetsy 67 ha, nifanenjehan’ny polisy ny jiolahy raindahiny iray, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy nanaiky io jiolahy io rehefa nifanehatra tamin’ny polisy nanao […]

Atletisma ho an’ny rehetra : nahatratra 740 ireo nandray anjara

Toy ny fanao isan-taona, notanterahina ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny farihin’ Anosy, ny “Atletisma ho an’ny rehetra”. Hetsika nokarakarain’ny federasiona malagasy (FMA). Fahombiazana satria 740 mianadahy mianaka, ankizy mpianatra avy amin’ny sekoly miisa 12 sy olon-tsotra ary atleta, no nandray anjara. Notsiahivin-dRahe­rison Dominique, filohan’ny federasiona fa hanentanana ny olona […]

Kung-fu 43 taona: nitohy tany Vakinankaratra ny fankalazana

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-43 taona nidiran’ny kung-fu voalohany teto Ma­dagasikara amin’izao ny federasiona malagasin’ny kung fu Wisa (FMKFW). Mitohy ny fitetezam-paritra ho fanamarihana izany, ka ny Grand Maître Avoko sy ny delegasion’ny FMKFW no mitarika izany. Natao ny zoma teo ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka kung-fu ao Ambato­lampy, Antanifotsy ary […]