Taratra

Naiditra am-ponja… : lehilahy tratra nangalatra vary iray gony

Na dia noana aza ve…? Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambato­lampy ny lehilahy iray tratra namaky trano, tao amin’ny fokontany Ambanimaso, kaominina ambonivohitr’Amba­tolampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra tao an-trano tokoa ity jiolahy ity ka lasany ny vary iray gony 50 kg nipetraka tao an-trano. Lasa nitsoaka avy hatrany izy […]

Fandrobana amin’ny RN5 : 6 mianadahy mpamaky kamiao voasambotra

Miseho lany tao anatin’ny andro vitsy ny famakiana fiara kamiao mitatitra entana amin’ iny lalam-pirenena fahadimy iny. An-tapitrisany ny entana voaroba anatin’ireo kamiao lasibatra rehefa mandalo amin’ ny lalan-dratsy. Enina mianadahy voasambotra vokatry ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana. Maka entana amin’ny gony hatramin’ny mo­to anaty kamiao, saron’ny mpitandro filaminana ny […]

Karate-Amboaran’ny Filoha : hatao ny 25 hatramin’ ny 28 mey izao

Raikitra ny fifaninanana fiadiana ny amboara’ny Filo­ha, taranja karate, eo ambany fitantanan-dRatefinanahary Emile. Ny 25 hatramin’ny 28 mey izao no hanatanterahana izany, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina. Atleta hatramin’ny 1200 no andrasana amin’io fiadiana ny amboaran’ny Filoha io, izay manomboka ny 6 hatramin’ny 91 taona. Aorian’io, hamoaka ny isa ho […]

LDC – Real sy City : hangotraka ny lalao miverina

Tontosa, ny talata teo, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Li­gue des Champions ». Nisara­ka ady sahala, 1 no ho 1, ny Real Madrid, Espaniola sy ny Man­chester City, Anglisy. Fihao­nana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Araka izany, hiady tanteraka ny lalao miverina any amin’ny tanin-dry […]

Kitra – «Tournoi Inter Lycée» : tompondaka ny JJ Rabearivelo sy ny LTC Ampefiloha

Tontosa ny sabotsy 6 mey lasa teo, teny amin’ny kianja synthètique Andoha­lo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny mpianatra «Tournoi inter Lycée» andiany faharoa nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny Yest Agency. Nan­drom­baka ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny LTC Ampefiloha rehefa nandresy ny JJ Rabearivelo, tamin’ny isa 2 […]