Nifarana hatreo ny lalan-dRasoanaivo Razafy Laura, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Judo, sokajy Seniors. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany izy. Tsy nahomby nanoloana ny mpifanandrina taminy, i Samardzic Aleksandra (Bos), sokajy latsaky ny 70 kg, seniors, Rasoanaivo Razafy Laura, omaly, tany Doha Qatar. Nahazo “shidos” 3 tao anatin’ny […]
Taratra
Fanetsehana ny antoko: miasa sy manamafy fototra ny Tim
Notanterahina teny Talata Volonondry, tamin’ity herinandro ity, ny fivoriana niarahan’ny depiote voafidy eny Avaradrano, Randriambolaina Gerry. Teo koa ireo biraon’ny distrika DisTim sy ireo ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina voafidy amin’ity antoko ity. Eo koa ireo mpikatroka eny anivon’ny KomTim, avy amin’ireo kaominina miisa 16 eny an-toerana. Nohamafisina tamin’izany ny fototry […]
Ramamimampionona Gérard : “Tsabahin’ny vahiny ny firenena rehefa misaratsaraka”
“Tsy miteny aho hoe tsy tokony hiara-miaina amin’ny any ivelany. Tsy afa-miolonolona isika, fa tsy maintsy miara-monina amin’ny firenen-kafa. Izay no fanatontoloana. Nefa ao anatin’izay, tokony harahina tsara ny jeo-politika hahazoantsika mametraka ny maha isika antsika.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny toe-draharaham-pirenena hoe tsabahin’ny vahiny amin’izao. […]
ASE : “Ahina ny tsy filaminana”
Mandinika ny zava-misy rehetra mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny «Apostolat social et écologique» (ASE) ao anatin’ny fikambanan’i Jesoa, eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanomboka omaly, etsy amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, ny telo andro anatanterahan’izy ireo ny andro sosialy. «Fifidianana, filaminana sy fandriam-pahalemana» ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity. «Mitady hisy tsy […]
Fidinana ifoton’ny Ceni : nisitraka ny tambin-karamany ireo mpanisa mpifidy
Nitohy, omaly, tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny fidinana ifotony tanterahin’ ny eo anivon’ny Ceni. Nanome toromarika sady nizara ny tambin-karaman’ireo nisahana ny fanisana mpifidy izy ireo tamin’izany. Anisan’ny nisitraka izany ireo mpikambana eo anivon’ny “CLRE”, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina “CEC”, niainga avy amin’ny volavola eo anivon’ny birao maharitry […]




