Taratra

FMFP : mampivoatra ny sehatrasa indostrialy

Nahazo mari-pankasitrahana tany Antsirabe ireo fikambanana 9 misehatra eo amin’ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara, ny zoma teo. Voafantina tamin’ny fifaninanana mikasika ny fahaiza-manao sy fanarahan-dalàna ara-tsosialy (P2CSI) izy ireo. Nokarakarain’ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle) ary teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny hetsika. […]

Tsenam-baro-panjakana : 577 miliara ny vola voaloa tao anatin’ny roa herinandro

Mahatratra 577 miliara ny volan’ireo nanao tsenam-baro-panjakana naloa tao anatin’ny roa herinandro teo. Ary 13.704 isa ireo tompona dosie nisitraka izany. Ny sabotsy teo, nitondra fanazavana mahakasika iny raharaha iny ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rin­dra Hasimbelo. Notohizany fa mbola hanohy ny hetsika ireo tomponandraikitra sa­mihafa eo […]

Zotra Toamasina-Moramanga : hiverina hiasa ny lamasinina mpitatitra olona

Hisokatra afaka herinandro vitsy ny zotra an-dalamby sahanin’ny orinasa madarail, mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga. Hamakivaky an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lamasinina ka hitondra ainga vao ho an’ny toekarena sy ny fizahantany any an-toerana. Hiasa manomboka ny 1 jona izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra olona (train voyageur) mampitohy […]