Na efa nahazo fankatoavana avy amin’ny Rugby Afrique sy ny World Rugby aza Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby amin’izao fotoana izao, manohy ny lalany amin’ny fanoherana azy ireo ligim-paritra sasany. Misisika ny hanatontosa fifidianana izay ho filohan’ny federasiona indray izy ireo. Nanao filazana ny vaomieran’ny fifidianana natsangany fa nifarana ny […]
Taratra
JIOI 2023 – Filoha Rajoelina : “Fandresena anatin’ny firaisankina no tanjona”
Nitafa sy nidinika ary niara-nikorana tamin’ny Federasiona sy ny atleta malagasy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Nandritra izany no nanambarany fa fandresena anatin’ny firaisankina sy fahasamihafana no tanjona amin’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hahafahana manatratra izany tanjona izany, notsinjaraina samy hiandraikitra taranja ireo minisitra mpikambana eo anivon’ny governemanta. […]
“Journée des sportifs médailles” : nahazo ny anjarany avokoa ireo atleta namiratra
Nakotroka indray teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly alahady 7 mey. Noraisin’ ny filoham-pirenena sady nahazo mari-boninahitra avokoa ireo atleta rehetra namiratra kanefa tsy mbola nahazo izany. Efa fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny hanome fankasitrahana ireo mpanao fanatanjahantena rehetra mitondra avo ny voninahi-pirenena ary nohamafisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy asiana fanavahana […]
Judo – «Mondial 2023» : hihaona amin’i Aleksandra i Laura
Nivoaka ny sabotsy lasa teo ireo mpifanandrina amin’ ireo atleta malagasy roa, vehivavy, taranja Judo, Rasoanaivo Laura sy Ramiandrasoa Haingo, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Doha Qatar, ny 7 -14 mey. I Samardzic Aleksandra, avy any Bosnia, no hihaona amin’i Laura, eo amin’ny sokajy latsaky ny […]
«Tournoi Inter Medias» : tompondaka ny Ilontsera sy ny Kolo Production
Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, «Inter Medias», andiany voalohany. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny Foot à 7, lehilahy, ny orinasa Ilontsera, raha toa ka ny Kolo Production ny an’ny taranja basikety « mixte ». Ny ekipan’ny Ultima Media (ivondronan’ny gazety Taratra […]




