Taratra

Surf – Kaonfederasiona Afrikanina : lany ho filoha lefitra i Roger Faustinato

Vaovao tsara eo anivon’ny fanatanjahantena malagasy. Voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny Kaonfederasiona Afrikaninan’ny Surf (Kas), ny filohan’ny federasiona malagasy, i Roger Faustinato. Nandritra ny fivoriambe narahana fifidianana, natao tany Dakar Sénégal, tamin’ny 23 avrily lasa teo, no nahafantarana izany. Teratany Senega­ley kosa no lany ho filoha, ilay kandida tokana. […]

“Prize money” 500.000 Dolara: “Mitaky ny mangarahara amin’ny FMF ny Barea Chan”

Naneho firaisankina amin’ny fitakiana ny mangarahara mahakasika ny “Prize money”, mitentina 500.000 dolara ho an’ny mpilalao sy ny staff, ny Barea nanao Chan Algerie 2022. Raha ny filazan’ireo mpilalao malagasy, efa ela no tonga ilay vola saingy tsy fantatr’izy ireo izay hanaovan’ny federasiona malagasin’ ny baolina kitra izany. “Mitaky ny […]

Romy Andrianarisoa : « Tokony ho fitaratra ny vehivavy mpanao politika »

Manentana ny vehivavy hanao politika ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa. « Miandry antsika i Madagasikara, tokony ho modely isika », hoy izy. Manolona ny odidina politika misy eto Madagasikara dia manao antso avo amin’ny vehivavy rehetra manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny […]

Ravonison Tintin : “Vahaolana ny fihaonan’ireo filoha telo “

Izy telo mirahalahy izay efa filoha voafidy, Ravalo­manana sy Rajaonari­mam­pianina ary Rajoelina, no tokony hihaona any amin’ny trano fisainan’ny FFKM, raha ny tolo-kevitra naro­son’ny mpandinika rahara­ham-pirenena, Ravonison Tintin, mom­ba ny toe-dra­hara­ham-pirenena. “Mba tsy hisian’ny fanavakavahana, antsoina koa ry zareo Silamo satria samy Malagasy”, hoy izy. Miainga amin’izay ny fanadiovana. Izay tapak’izy […]