Manentana ny vehivavy hanao politika ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa. « Miandry antsika i Madagasikara, tokony ho modely isika », hoy izy.
Manolona ny odidina politika misy eto Madagasikara dia manao antso avo amin’ny vehivavy rehetra manana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Romy Andranarisoa. Manentana ny andriambavilanitra izy ho mpiantsehatra fototra amin’ ny adidy takin’ny firenena, ankehitriny. «Zo sy adidy izany, ka tokony ho trandrahana», hoy izy. Na izany aza, manentana ny vehivavy rehetra efa misehatra amin’ny politika izy, mba ho vehivavy mendrika sy ho fakan-tahaka. Mba hampiseho ny tena fahaiza-manao sy fanaovana politika madio.
Mahakasika ny fanaovana politika amin’ny ankapobeny, mangataka izy mba ny asa vitan’ny mpitondra no hitsarana azy ireo. «Mila haverina amin’ny famaritana azy tany am-boalohany ny politika, mba hisian’ny fampandrosoana ny firenena», hoy izy. «Tena niasa ny filoham-pirenena. Tena mitsinjo ny vahoaka izy, miady ho an’ny Malagasy. Ataony ho lohalaharana ny mpiray tanindrazana aminy», hoy hatrany ity tomponandraikitra ity, nanohy ny resaka.
Mitaona ny hery velona rehetra izy, hanaja ny tena demokrasia, na mpitondra io na mpanohitra. «Raha miara-miady ho an’ny tombontsoan’ ny firenena sy ny vahoaka malagasy isika dia mandroso i Madagasikara», hoy izy.
Nasiany tsindrim-peo manokana ny fivoizan’ny sasany, ilay famoriam-bahoaka anaty toerana mihidy. «tsy ny fitondrana ankehitriny no namolavola sy namoaka an’iny, fa ny mpanohitra izay nitondra tamin’izany fotoana. Nampahatsiahy ny zavatra efa-nisy fotsiny ny filoha satria mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy hanakorontana ny vahoaka ny fivoriana an-dalambe na ankalamanjana. Malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintsika», hoy hatrany, Romy Andrianarisoa.
Manova sy miala amin’ny mahazatra
Nisongadina nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny Talen’ny kabinetran’ny fiadidian’ny Repoblika fa zava-dehibe ny fahasahiana manova sy miala amin’ny fomba fiasa mahazatra. Tsy maintsy mifanohana ny samy mpitondra fanjakana raha te hahatratra ny vokatra andrasan’ny vahoaka malagasy aminy. «Ilaina ny fanatsarana ny fomba fiasa, indrindra amin’ny fifandraisan’ny samy mpiasam-bahoaka, mba hisian’ny fahombiazana niarahan’ny rehetra nanatontosa. Tsy maintsy noezahana ny nanova ny fomba fifaneraserana, indrindra ny fizarana vaovao amin’ny samy tandapa sy ny mpitondra rehetra», hoy hatrany izy, nanisy tsindrim-peo ny olana nosedraina tany am-piandohana. Tsy maintsy nirosoana ny fanitsiana mba ho vahaolana ho an’ny vahoaka ny mpitondra, raha ny fanazavany hatrany.
Manentana hatrany ny minisitra isan-tsokajiny izy, mba hanajana ny fifanekena natao tamin’ny vahoaka malagasy. Mitaona ny rehetra mba hanaja ny mangaraharaha amin’
izay atao. «Tsy tokony hisy hilaza na hampanantena zavatra tsy vita. Izay tratra ihany no ambara», hoy izy.
Politika manampy vahoaka no tanjona
Roa volana katroka, omaly no nandray ny asa maha talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika azy Romy Andrianarisoa. Mamita, araka izay tratra, ny veliranon’ny Filoham-pirenena, mandra-pahatongan’ny fifidianana no anisan’ny vaindohan-draharahany sy ny ekipa miaraka aminy. «Izay rahateo no handrasan’ny Filoha Andry Rajoelina aminay», hoy izy, nanomboka ny resaka. Amperinasa tanteraka izy ireo ka mifototra amin’ny «Mangarahara» ny teny filamatra hoenti-miasa.
Manana ny paikadiny sy ny fomba fiasa vaovao, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena, izy ireo, dia ny fanomezan-tanana mivantana ny minisitera isanisany mba ho afaka hamita izay velirano azo tratrarina, mialohan’ny fifidianana. Ady voalohany tsy maintsy natao ny fialana amin’ny fitarozahan’ny raharaham-panjakana sy ny fanajana ny etika ho enti- mamita ny iraka. «Tsy maintsy ezahana ny mampitovy lenta ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana izany. Politika manampy vahoaka no tanjona», hoy hatrany izy, nilaza ny fomba entiny mifampizara ny traikefa eo am-pelatanany.
«Vao nandray ny andraikitra izahay dia niezaka nitady ny fomba rehetra ahafahana misoroka izay mety ho sakantsakana tsy hanatrarana ny tanjona. Tsy maintsy mitady hirika, hanomezan-danja hatrany ny tombontsoan’ny Malagasy aloha. Ohatra iray entina mivaingana azo tsapain-tanana ny famitana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany iny. Tsy maintsy napetraka ho lohalisitra ny Malagasy. Nomen-danja ny tombontsoan’i Madagasikara izay narindra tsy ahafatiantoka ny mpandraharaha vonona ny hampiasa ny volany eto amintsika», hoy hatrany izy nitantara ny ezaka efa vita. Anisan’ny miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fambolena ihany koa ny kabinetran’ny filoha amin’ny famonoana valala. Torak’izany ny fanampenana ireo lalana misy fahasimbana manerana ny Nosy. «tsy mijabaka amin’ny andraikitry ny hafa izahay, fa mametraka sy mivoy kosa ny fifanomezan-tanana, ny fiaraisankina, ny fiarahalahiana eo amin’ny samy tomponandraikitra, solontenan’ny vahoaka malagasy», hoy hatrany, Romy Andrianarisoa.
Mila miray saina
Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy ihany koa izy, mba hifanohana sy hiray saina. Anisan’ny antoka hisian’ny fampandrosoana ny fiarahan’ny rehetra mientana. «Iarahantsika mahita ny vahoaka jiosy, tsy mba misy mahantra izany. Raha misy ny olona sahirana, mifandrimbona, manampy sy misintona azy ireny miakatra ny manodidina. Fomba fiainana tsara alain-tahaka izany, mba hampandroso an’ity Madagasikarantsika ity sy ny fanatsarana ny faripiainan’ny tsirairay. Zavatra iray imatimatesan’ny filohan’ny Repoblika rahateo izany. Ireo fitetezam-paritra ataony, manerana ny Nosy dia porofon’ny fitiavany ny vahoaka malagasy tsy vakivolo. Olona tia manampy ny mpiara-belona izy. Olona tena manana finiavana ny hampandroso an’i Madagasikara ny filoha», hoy izy.
Manoloana ny toe-draharaha isan-karazany lalovan’ny firenena dia manao antso avo amin’ny rehetra izy mba hanambatra ny hery hifototra amin’ny fampandrosoana.
Iza moa izy ?
Renim-pianakaviana, niteraka telo ny talen’ny kabinetra, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. «Avy any amin’ny faritra betsileo ny rainy. Merina avy eto ampovoan-tany ny reniny. Antony nilazana izany dia Malagasy aho ary iray ihany, tsy mifanavaka ny samy Malagasy», hoy izy nanomboka ny resadresaka nifanaovana taminy. Teratany malagasy, manambady vazaha izy saingy sarotiny amin’ny fomba sy fiteny malagasy. Vao fito taona izy no niala teto Madagasikara, ka tamin’ny taona 2017 no niverina nanorim-ponenana teto. Nanangana ny fikambanana Miaro Madagasikara izy, ny taona 2004, fotoana nikasany hody teto saingy mbola tsy tamana, ka nisintaka tany ivelany. Zavatra tena maha saropiaro azy ny fitandroana ny maha malagasy. Izay no mahatonga azy, mampianatra ireo zanany ny teny malagasy, na nonina tany ivelany aza izy ireo.
Toetra tsy tiany ny fanaovana ory hava-manana sy ny famotehana ny hafa rehefa hita fa mihoatra ny tena. Faniriany ny ahatsapan’ny Malagasy rehetra fa ny firaisankina ihany no hery, araka ilay fomba fiteny mahazatra hatrizay.
Soratra : Randrianarisoa Riana Raymonde
Sary : Fanou




