Niakatra fampanoavana, afakomaly, nidoboka am-ponja vonjimaika ireo mpiasa 7 eo anivon’ny Trésorerie Principale Ambalavao. Voasaringotra tamin’ny fahaverezan’ny vola 400 tapitrisa Ar ireto mpiasa ireto. Tsy hita popoka io lelavola io ny marain’ny 17 avrily lasa teo. Tsy vaky anefa ny trano. Tsy nisy nanapitsoka ihany koa ny varavarana. Nisokatra ny […]
Taratra
Herisetra feno habibiana: notondrahan-drangahy asidra ramatoa vadiny
Nokasain’ny raim-pianakaviana iray hotaperina ny aim-badiny. Notondrahany asidra ilay ramatoa. Mbola nodorany ka may ny ampahany tamin’ny vatany. Voasambotry ny zandary, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray. Nanondraka asidra ny vadiny izy. Nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy. “Adin’ny mpivady toy ny mahazatra no niatombohan’izany”, hoy ny mpanao famotorana. “Nifamaly noho […]
Maitre Mickael : hamelabelatra ny foto-pisainana Wisa
Tsy totohondry sy daka fotsiny ny kung fu Wisa fa ny ara-panahy indrindra indrindra (méditation). Hisy ny famelabelaran-kevitra hataon’ny Maitre Mickael, mpikatroka Kung fu Wisa, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Dojo Aska. Manam-pahaizana amin’ny resaka ara-tsaina, nivoaka tao amin’ny Oniversite Clermont Auvergne, ity Maitre ity. Lohahevitra hovelabelariny, araka […]
Basikety-fifanintsanana“World Cup 3×3” : hihazo an’Israely ny 2 mey ny Ankoay vehivavy
Nanomboka, nikotrana indroa isan’andro, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy, basikety 3×3, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Israely, ny 6 sy 7 mey izao. Ny 2 mey izao kosa no hanainga ny delegasiona malagasy, miisa 6. Hahitana ny filohan’ny delegasiona, Randriana Mihary, ny mpanazatra, Razananirina Prisca ary […]
“Madagascar Wrestling Megaweek 2023” : mampiofana mpanao tolona eto amintsika ireo vahiny 4 mirahalahy
Notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, omaly, ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika “Madagascar Wrestling Megaweek 2023”. Nizara ny traikefany teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana vahiny, efatra mirahalahy. Marihina fa efa nanomboka ny 20 avrily lasa teo ny fiofanana, ary hifarana amin’ny 30 avrily izany. Vahiny manana ny lanjany tokoa izy […]




