Taratra

Fondation H Ambatomena : misantatra ny toerana vaovao ny asa tanan’i Mme Zo

Fampirantiana goavana, manana ny maha izy azy no entin’ny Fondation H, misantatra ny ivontoerana vaovaony. Fampirantiana ny asa tanana nataon’i Madame Zo, izay mpanenona niavaka sy nanana ny naha izy azy teto Madagasikara. Notontosaina omaly, teny amin’ny ivontoerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambato­mena, ny fampahafantarana ho an’ny mpanao gazety ity […]

Fiombonana: “Mety hiova ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza”

“Mety hisy fiovan-javatra eo anivon’ny Antenimieram­pi­renena amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany izao; eny, na tsy mihetsika aza ny fitondram-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny an­toko Fiombonana, Retogniane Dur­lin. Hita ireny depiote miova ankolafy ireny, ary mety misy ny fiforonana fiarahana manohitra ny fitondrana. Hita misy an’izany eny anivon’ny parlemanta. Hangotraka ny zavatra […]

Ady amin’ny kolikoly aty Afrika : nahavita ny fianianany Razafimandimby Tsiry

Nahavita ny fianianany tamin’ny fihaonambe faha-43-n’ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina miady amin’ny kolikoly (AU-ABC) ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry Harivelo. Natao ny 25 avrily tany Arusha-Tanzania amin’izao fihaonambe hifarana ny 29 avrily izao izany. Mpikambana vaovao voafidy tamin’ny fihaonambe faha-42 ny volana febroary […]

ONG Tolotsoa: “Misy ireo tsy tokony ho kandidà…”

“Ho an’ny mpirotsa-kofidina, rehefa mampindrana fahefana ny tena ny olom-pirenena: lasa mpampiasa izy, satria izy no nanome asa ny tena. Manan-jo hanara-maso ny asan’ny tena izy amin’ny maha mpampindrana fahefana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny tom­ponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Mia­dana Fabien Privat, momba […]