Hotanterahina ny 1 – 4 jona 2023 ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques), andiany faharoa. Ivondronan’ireo mpisehatra sy mpandraharaha rehetra ara-toekarena eto an-toerana sy avy any ivelany. Hampiavaka ity andiany ity ny fandraisana manokana ny delegasiona koreanina, maniry hampiasa vola sy […]
Taratra
Ady amin’ny sondro-bidim-piainana : mila ampitomboana ny famokarana anatiny
Anisan’ny ady voalohany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny famokarana anatiny. Voatonona anatin’izany ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fizarana ireo teknikam-pambolena ho an’ny tantsaha. Tafiditra amin’izay koa ny fizarana zezika sy masomboly hahafahan’izy ireo mampitombo ny famokarana. Hisy fiantraikany betsaka eo amin’ny lafiny toekarena izany hisorohana ny fiakaran’ny vidim-piainana. “Tsy mbola […]
Antenimierandoholona-Solar Plexuis: nizara traikefa ny Mompera Pedro
Nitsidika ny toby Akamasoa eny Andralanitra ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana sy Alain Orriols, filohan’ny orinasa Solar Plexuis any La Réunion, ny 24 avrily teo. Nizara ny traikefany ny Mompera Pedro, amin’ny lafiny fanorenan-trano, ny fambolen-kazo, ny asa tanana, sns. Misy ny fiaraha-miasan’ny Antenimierandoholona sy ny Nosy La Réunion, […]
Rio Tinto QMM – FMFP : manome tosika ny tanora any amin’ny faritra Anosy
Nisitraka atrikasa fanatsarana ny fahaiza- manaony ireo tanora any amin’ny faritra Anosy, ny herinandro teo. Niompana tamin’ny indostria, asa maitso, toekarena manga ary nomerika ny fampiofanana. Tetikasa niarahana tamin’ny mpiara-miombon’ antoka Rio Tinto QMM (QIT Madagascar Minerals) sy ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle). Nahazo vahana sy nomena lanja […]
Fahasalamana : mbola mamely amin’ny faritra maro ny tazomoka
Notanterahina tany amin’ ny faritra Melaky, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka ho an’i Madagasikara. “Fotoana izao hanafoanana ny tazomoka, milofosa, mitadiava paikady vaovao, miasa” no lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana. Raha ny antontanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia 543.994 ny trangana tazomoka tao anatin’ ny dimy […]




