Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ireo mpianatra 3 avy amin’ny CEG eto Antananarivo. Solontena avy amin’ny CEG etsy Analamahitsy, Antanimena ary Avaradoha izy ireo. Voafantina tamin’ny fifaninanana tononkalo manentana ny olona mba hanana fitondran-tena mendrika amin’ny fikajiana ny rano sy ny fahadiovana. Tonga nanolotra izany teny an-toerana […]
Taratra
Cisco Avaradrano : hotanterahina ny 2 mey ny CEPE andrana voalohany
Eo am-piomanana amin’ny fiatrehana ny fanadinana CEPE sy BEPC ny tomponandraikitry ny fanabeazana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tanterahina ao anatin’ny roa volana fahadimy ny andrana ho an’ny fanadinam-panjakana roa. Telo ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco Avaradrano amin’ity taona ity mialoha ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny 20 jona ho […]
Fiofanana nomen’ny ANS sy CUA: 37 notolorana mari-pankasitrahana
Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo 37 mianadahy, andiany « Sandratra », niofana nandritra ny 4 andro, ny 17-20 avrily lasa teo. Nisahana ny fiofanana ny Académie National des Sports (ANS). Anisan’ny nahafahana nanatontosa ny hetsika kosa ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Novoizina tamin’ity andiany fahadimy ity ny lohahevitra « Animateurs […]
R. Dzery : mitohy ny fampirantiana “Kanto ho an’i Neny”
Tontosaina eny amin’ny Ivokolo Analakely, nanomboka ny 18 avrily hatramin’ny 2 jona ho avy izao, ny varotra fampirantiana ataon-dRafidinarivo Hagoharidzery Hery, fantatra amin’ny anarana R. Dzery eo amin’ny maha mpahay kanto. « Kanto ho an’i Neny » no lohahevitra sy lohatenin’ity hetsika ity. Manodidina ny 40 ny hosodoko harantin’i R. Dzery, ao […]
Kitra – “Jeux de la Francophonie” : 30 ireo mpilalao handrafitra ny Barea
Ho fiatrehana ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay “ Jeux de la Francophonie 2023”, izay hatao any Kinshasa, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao, fantatra fa miisa 30 mirahalahy ireo mpilalao handrafitra ny Barea U20. Araka ny fanazavan-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra […]




